Vohitra maro eto Imerina no nankalaza ny Alahamady. Nanomboka ny alatsinainy teo ka hatramin’ny rahampitso ny fankalazana. Ho an-dry zareo Zanadranavalona, nisy ny lanonambe toy ny mahazatra isan-taona, teo amin’ny kianja Anosimanjaka, omaly.
Mitohy ny atrikasa fampiofanana, ho an’ireo mpisehatra amin’ny zavakanto. Anjaran’ny any Toamasina indray no nisitraka izany, mandritra ny hateloana. Ankoatra ny fiofanana, hisy ny atrikasa sy ny zara traikefa. Efa any an-toerana ny ekipan’ny Akademiam-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina, na ny Anac.
Tsara raha tononina sy hapetraka amin’ny talenta hananany sy ny zavatra ataony ity lazaina ho “mpanakanto” amin’izao fotoana ity. Ohatra, mpihira no iantsoana ireo mihira. Mpandihy no ilazana ireo mandihy. Mpitendry zavamaneno, ireo mitendry zavamaneno, sns.
Ny mahakasika ny dihy indray no ho resahina ao anatin’ny “Ensemble le RDV”, iarahana amin’ny Poety Rebely, eny amin’ny CGM Analakely anio. Hetsika fanao isam-bolana, hampahafantarana haikanto iray sy ny asa manodidina izany ny “Ensemble le RDV”. Matihanina eo amin’ny haikanto nofidina no mizara sy mitafa ao anatin’izany.