Manara-davahana: Voky lainga izao tontolo izao

Ahatazamana kivenjivenjin-tranga maro manerana izao tontolo izao. Tsy ho afa-miala amin’ireny ny Malagasy sy i Madagasikara. Amin’ny ankapobeny, « iraisam-pirenena » no iantsoana azy io. Sarotra ny manda ny voalazan’ny sehatra lehibe tahaka itony. Na hita fa diso izao aza, « eny tompoko » hatrany ny valin-teny heno!

Ny lafiny sy ny sehatra rehetra, voky lainga avokoa. Tsy any amin’ny firenena iray na roa, fa saika, maneran-tany mihitsy, tratran’io avokoa. Lainga sy fitaka tanteraka ny filazana fa ny volana janoary no fiantombohan’ny taona iray. Saingy, ny sehatra iraisam-pirenena no nametraka azy io, dia neken’ny ankamaroan’ny firenena eto ambany masoandro. Raha volana janoary no fiandohan’ny taona, nahoana no tsy volana faha-7 ny septambra, fa lasa volana faha-9? Naninona no tsy volana faha-8 ny oktobra, fa lasa volana faha-10?, sns. Na, efa hita fa mandiso ny tenany amin’ny alalan’ny « zavatra » avoakany aza ny « iraisam-pirenena », dia mbola eken’izao tontolo izao ho marina ihany! Efa fantatra mazava fa tsy an’ireo Anglisy nifindra monina any Amerika velively i Etazonia, kanefa eken’izao tontolo izao fa Amerikanina ireo. Voky lainga izao tontolo izao! Saika tratra tahaka io ihany koa ny ankamaroan’ireo nosy misy maneran-tany, saingy, eken’ny « iraisam-pirenena » ilay tranga, ka nanjary « marina »!
Tratra ihany koa ny Malagasy sy i Madagasikara

Araka ny kajy nataon’ny « iraisam-pirenena », voasokajy ao anatin’ireo tany mahantra sy farahidiny eto ambany masoandro i Madagasikara. « Eny tompoko, marina izany », hoy ny mpanara-davahana. Notakonan’ny « iraisam-pirenena » amina tarehimarika ny maso sy ny sofiny ary ny fanahin’ny Malagasy ka manjary tsy mahita fa mandeha eo ambony volamena, vatosoa, sy harembe tsy tambo isaina na lanjaina ny tongony. Voky lainga ny Malagasy!
… « Satria, mahantra fadiranovana ianareo, ho avy izahay hitondra fanampiana ho anareo », hoy ny « iraisam-pirenena ». « Eny tompoko misaotra indrindra », hoy ny Malagasy. Jamban’ireo fanampiana ny mason’ny Malagasy ka tsy mahita intsony fa ataon’ny « iraisam-pirenena » izay hampiankindoha lalandava azy (Malagasy), amin-dry zareo. Voky lainga ny Malagasy !
Raha mbola manara-davahana tahaka izany ny rehetra, ho lasa « Zanaharin’izao tontolo izao » ny « Iraisam-pirenena » !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: