Tanterahina anio, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny fampisehoana « Les Soirées Classiques », andiany voalohany. Fampisehoana karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Hira milamindamina, larona zavamaneno sy feo miavaka no handravaka ny fampisehoana, araka ny nahafantarana ny Madagascar Mozarteum hatramin’izay, nandritra ireo hetsika nataony. Ankoatra ireo matihanina mandray anjara. Hitondra ny fahaiza-manaony mandritra izany koa ireo mpandresin’ny fifaninanana Cnapmada 2024. Tanjon’ny hetsika ny fanomezana sehatra ireo mpahay kanto miangaly ny mozika klasika maro samihafa.
Fandaharam-potoana miavaka no omanin’ny Madagascar Mozarteum, ho an’ny mpankafy mozika milamindamina, amin’ity anio ity. Fampisehoana “Les Soirées Classiques”, iarahana amin’i Faniry Rakotoarison, eo amin’ny Soprane, Miravo Ramarolahy, eo amin’ny fitendrena Orgue, ary ireo efatra mianadahy, mpandresin’ny fifaninanana Cnapmada 2024, no eo amin’ny fitendrena Piano. Ireo hira klasika malaza ankehitriny sy hatramin’izay no holalaovin’ireto mpitendry zavamaneno ireto handravahana ny sehatra.
Tsiahivina fa mbola hisy ny andiany faharoa amin’ny hetsika, hatao ny 19 avrily 2024, iarahana amin’ny mpanakanto hafa indray.
Lin