« Slam à l’Université »: hahazo sehatra ireo mpiangaly Slam eny amin’ny Oniversite

Tanterahina anio, eny amin’ny Centre de ressources des arts actuels de Madagas­car (Craam) Ankatso, ny hetsika « Slam à l’Université ». Seho an-tsehatra  Slam poésie  hanomezana sehatra ireo mpiangaly ity taranja ity, eny amin’ny Oniversite ny « Slam à l’Université ». Ny fikambanana Madagaslam, miaraka amin’ireo tomponandraikitry ny kolontsaina sy haikanto, eny amin’ny Oniversiten’Anta­na­na­rivo no mikarakara ny hetsika.
Ao anatin’ny ezaka fampiroboroboana ny Slam eto Madagasikara ny tomponandraikitra amin’izao. Anisan’ iza­ny ny « Slam à l’U », izay atao eny Ankatso, isaky ny Zoma faharoan’ny volana. Misokatra ho an’ny mpianatry ny oniversite ihany, araka izany, ny sehatry ny Craam, amin’ity anio ity. Maimaim­poa­na, amin’ny alalan’ny fanehoana karatra maha mpianatra, ny fandraisana anjara. Misokatra ho an’ny rehetra kosa ny hetsika.
Ao anatin’ny fanatanterahana tetikasa maro amin’ny fampielezana sy fampiroboroboana ity taranja ity ny Mada­gaslam amin’izao. Ankoatra ireo, efa fanao mahazatra. Efa andalam-pahatanterahana ihany koa ny fifaninanana nasionaly ho an’ny eny anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa, miankina amin’ny fanjakana. Efa eo am-panatanterahana ireo dingana farany ny tomponandraikitra, ary vinaniana ho tanterahina ny enimbolana faharoan’ity taona ity izany hetsika izany.

Lin

Partager sur: