Piment Café – Olombelo Ricky. « Hiraiko mangina… » no hatolotr’ity mpanakanto ity, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany. Fotoana hamerenana miaraka amin’ireo mpankafy ireo hira nandalo vanim-potoana tsy tontan’ny ela izany. Hatramin’izay nisian’ny fiarahana tamin’ny Olombelo Ricky tao amin’ity trano filanonana ity, hipoka mpankafy hatrany ny toerana.
Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny 306 Manakambahiny. Ho fanamarihana izany, hisy ny fialamboly hizara andiany telo, ka hosokafana amin’ny hatsikana hataon’i Raytra Belaw’yck izany, amin’ny 5 ora. Hitohy amin’ny sehatra malalaka ho an’ny rehetra kosa amin’ny 6 ora hatramin’ny 8 ora. Manomboka amin’ny 8 ora alina no hiaka-tsehatra r’Ibemaso Trio.
Mandalo eto Antananarivo i Teta. Manome fotoana ireo mpankafy ny mozikany izy amina toerana roa, anio. Ny voalohany etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, manomboka amin’ny 8 ora. Ny faharoa kosa ny “After live – Jam session” eny amin’ny Le Garage Antsahavola, manomboka amin’ny 10 ora alina. Samy tsy misy vidim-pidirana avokoa ireo.
Kudeta Urban Club – Tsiok’Ampita. Mety ho vaovao amin’ny sofin’ny maro, saingy izay naheno sy nahita ilay rakitsary “Nofy ratsy”, dia azo antoka fa liana te hanaraka ny Tsiok’Ampita. Manome fotoana ireo te hihaina mozika vaovao izy ireo, rahampitso sabotsy manomboka amin’ny 4 ora tolakandro.