Anisan’ny zavakanto manana ny maha izy azy ny saripika. Mihazakazaka be ny fivoarany izany tato ho ato. Nivoatra nanaraka izany ihany koa ny UPPM. Miezaka mijoro ho arofanina hatrany anefa ity fikambanana ity ho tombontsoan’ny saripika malagasy.
Tontosa omaly, teny
amin’ny Radisson Blue Ambodivona, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety momba ny fankalazana ny fahafolo taonan’ny fikambanana « Union des photographes professionnels de Madagascar » (UPPM). Ankoatra ny fampahafantarana ny fikambanana. Nampisehoana nandritra izany ihany koa ireo hetsika rehetra entina hanamarihana izany tsingeritaonan’ny fikambanana izany. Manana tanjona maro ny UPPM, amin’ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny tontolon’ny fakana sary.
Nijoro tamin’ny fomba ofisialy ny taona 2013 ny fikambanana, ivondronan’ireo mpaka sary matihanina. “Ireo mpaka sary mijoro ara-panjakana eto Madagasikara, miasa sy miaina amin’ny fakana sary no mivondrona ao anatin’ny UPPM”, hoy Ramanakanja Freddy, filoha lefitra. Manana tanjona ny hampiroborobo sy hanome lanja ary hampanaraka lalàna ny tontolon’ny fakana sary ny fikambanana. Eo ihany koa ny fanohanana ireo mpaka sary amin’ny fivoarana sy ny fandrosoana eo amin’ny sehatry ny matihanina. Tamin’ny alalan’ny hetsika maro no nentina nanatanteraka ny asa, hanatrarana ny tanjona napetraka, nandritra izay folo taona nisian’ny UPPM izay. Anisan’izany ny fampirantiana, fifaninanana, atrikasa isan-karazany.
Tsy avela handalo fotsiny izao fahafolo taona izao fa homarihina amin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa. Anisan’ izany ny valandresaka ho an’ny rehetra, hampahafantarana ny tontolo matihanin’ny fakana sary. Eo ihany koa ny fampirantiana hanohanana sy hampiroboroboana ny talentan’ireo mpikambana sy hanomezana fahafaham-po ny mpankafy. Hanamarika izao tsingerintaonan’ny UPPM izao ihany koa ny fifaninanana “Regards Croisés de l’Océan Indien”, fifaninanana misokatra ho an’ireo any ivelany, indrindra ny eto amin’ny ranomasimbe Indianina.
Lin