Miandry amin’ny fotoana manaraka indray aloha ny mponin’Ambatondrazaka vao hahita indray an-dry Wada sy Youngs. Tsy manafoana ny fampisehoana kosa anefa izany, satria notanana hatrany ny fotoana amin’ny 1 mey izao, ao amin’ny Espace Laza Ambatondrazaka. Ry zalahy no tsy afaka fa nanaiky hanolo azy kosa i Naël. Hanampy azy koa i Malm sy i Lico Kininike, izay efa handrasana rahateo.
“Efa nahavita fifanarahana izahay, saingy niantso ry zareo fa misy olana manokana ny tarika, ka nangataka fotoana mba handaminana izany. Avy hatrany dia nandray fanapahan-kevitra haka an’i Naël izahay, satria efa andrasan’ny mpankafy ao Ambatondrazaka koa izy. Efa nisy afisy ny fampahafantarana nataonay, saingy ovaina malaky izany”, hoy ny nambaran’i Tantely Ralalarison, tale jeneralin’ny Live Tropical, mpikarakara ny hetsika.
Samy hanatontosa seho feno ry Naël, Lico Kininike ary i Malm mandritra io fotoana io.
Zo ny Aina