Sehon’i Erick Manana : nampihaona indray ny tia sy ny manina

Nanenina ny tsy tonga, raha tena mpankafy. Soa fa mbola hisy ny seho manaraka hataon’i Erick Manana eto an-tanindrazana amin’ity taona ity.

Seho feno fihetseham-po tanteraka! Nafana ny fiarahan’ny tia sy ny manina tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Na dia fotoana fohy fotsiny aza no nanambaran’i Erick Manana fa handalo an-tanindrazana ary hanolotra seho tokana izy, vory nameno ny efitrano ireo tena mpankafy, omaly. Tena mpankafy, mpanaraka azy hatramin’izay ka hatramin’izao, raha ny fahitana ny hafanana isaky ny hira nalahatra. Saika nahazoana horakoram-pifaliana avy amin’ny mpijery avokoa ireo hira nalahatra. Nisongadina indrindra sady nampitsangana ny mpijery ry “Iarivo tsy foiko”, “Zakeliny mama”, “Vorombe tsara dia”, “Tambazako”, sns. Nandrasan’ny maro fatratra ihany koa ilay fampiaraham-peon’i Erick Manana sy i Voara, tao anatin’ilay hira “Hita tsy notadiavina”, nivoaka tamin’ny taon-dasa.
Feno hatrany ny feo rehetra teny an-tsehatra. Nanasa ireo namany mpanaraka azy rehefa miaka-tsehatra eto an-tanindrazana mantsy i Erick Manana. Ireo mpitendry tanora toa an-dry Tsanta, miampy an-dry Titi no teo amin’ny zavamaneno tsofina. I Tonny no niandraikitra ny karazan’amponga. Teo hatrany koa i Nini Kolibera, nanampy tamin’ny gitara.
Ampahany iray nankafizin’ ny mpijery ihany koa, ny nahita indray an-dry zalahy Feo Gasy tafaraka. Tsy misy latsaka ny tendry gasin-dRakaoly, miangaly ny “Ambarao ry takariva”. Misongadina tsara ilay feon’i Benny, tao anatin’ny “Mananjary”. Ilay feom-bali­han’i Pasy sisa dia nirafitra indray ny Feo Gasy…
Rehefa mandalo an-tanindrazana toa izao i Erick Manana, tsy mba hadinony mihitsy ny manasa an-tsehatra ireo rahalahiny tao anatin’ny Lolo sy ny tariny. Anisan’ny fotoana nafana indrindra ihany koa ny niakaran’i Bebey an-tsehatra, avy hatrany dia niredona ny “Rasoanantenaina Miangaly”. Nanaraka avy eo ry “Baomijijy”, sns. Nanaraka hatramin’ny farany ireo hira nalahatra ny mpankafy, izay tsy vitsy no nahatsikaritra fa najanon-dry zalahy ny ampahany tamin’ilay tononkiran’ny “Revirevinay taloha”. Nan­kaiza ilay hoe “O ry akamako taloha….”?
Raha fehezina, tsy mbola afa-po ireo mpankafy an’i Erick Manana sy ireo namany. Ho voavaly tsy ho ela anefa ny hetahetan’izy ireo: ny 18 aogositra indray ny seho goavana manaraka, ao amin’ny Lapan’ ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahama­sina.

Zo ny Aina

Partager sur: