Efa fantatra ireo Malagasy mpanakanto handray anjara amin’ny « Festival Sakifo 2024 ». Jain, Claudio Rabe ary Eusebia no ho solontenantsika any La Réunion, ny 7 hatramin’ny 9 jona izao. Monina any an-toerana i Jain sy i Claudio Rabe, raha toa ka efa tsy vahiny amin’ny mponina any La Réunion kosa i Eusebia. Hilahatra amin’ireo mpanakanto fanta-daza maneran-tany, toa an-dry IAM sy Grand Corps Malade izy ireo.
Holalaovina an-tsehatra indray ilay tantara “Mose Lemera”, nosoratan-dRatsimbason Pierre Emile. Teatra hotanterahin’ny tropy Ilo, ao amin’ny Ivokolo Charles Ravaloson Analakely, ny alahady 28 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Nanao ny fandrindrana an-tsehatra Ravaloson Haja. Amin’ny ankapobeny, tantara mifono hatsikana, kanefa, mampita hafatra mafonja ny “Mose Lemera”.
Efa tsy mamaky boky firy intsony ny Malagasy ! Mihena ny tantara foronina voarakitra anaty boky! Samy tranga mahazo ny tontolon’ny soratra eto Madagasikara avokoa ireo. Raha tsy voavaha ao anatin’ny fotoana fohy, anefa, ahina tsy hisy intsony ny fivoahana boky vaovao (tantara foronina). Ahina hikatona ny trano fivarotam-boky izay efa tena vitsy ankehitriny… Miala iray indray ny fitaovana hoenti-mandranitra sy mitaiza ny saina.
Manatanteraka « Residence artistique », ao amin’ny Fondation H Ambatomena, mandritra ny fampirantiana « Memoria : recits d’une autre histoire » i Justine Gaga, mpahay kanto avy any Cameroun. Hosodoko, sary sokitra, sary pika sy horonantsary no tena manavanana azy. Hisy ny fiaraha-miasa amina Malagasy mpahay kanto ao anatin’izao fandalovany eto izao.