Tsy nateraka handraharaha avokoa ny olon-drehetra fa mila mianatra sy manaraka fiofanana izy ireo raha te hisehatra amin’izany. Tsy fahaizana ihany fa mitaky toe-tsaina ao anaty ahafahana miatrika ny olana rehetra.
Maro ny mihevitra fa anisan’ny mahatafita ny ankamaroan’ny olona sy ny mpandraharaha maro ny vintana. Betsaka amin’izy ireo ihany koa no tsy nandia fianarana firy nefa tafita amin’io sehatra iray io. Maro ny toe-tsaina tokony hananan’ny olona handraharaha raha te hahomby izy ireo. Tia miketrika, tia mamorona, tia manatratra tanjona, mahay manapa-kevitra, sahy mirisika, mahay mandresy lahatra, mahay mitarika…Tia mikiry sy tia mamorona, sahy mirisika ary tia manatratra tanjona ny ankamaroan’izy ireny, raha eo amin’ny sehatry ny fandraharahana, araka ny fanadihadiana natao. Mitaky fotoana sy faharetana ny fananganana orinasa sy fidirana amin’ny sehatry ny fandraharahana. Mila hain’ny ankizy sy ny tanora ny misafidy ny zavatra tiany sy ny mahaliana azy. Mila mieritreritra sy mandinika tsara alohan’ny hamoronana sy hivarotana vokatra na tolotra iray. “Mikaroka sy mandinika hatrany ny filan’ny mpanjifa mba hahafahana mamorona vokatra vaovao mahaliana ary misy manjifa mandritra ny fotoana maharitra”, hoy ny filohan’ny Ceere, Iavobe Njaka. Nilaza izy fa mila fantarin’ny tanora te hisehatra eo amin’ny fandraharahana ny hetahetan’ny olona tiany ho vahana, mikaroka vahaolana izy ary mivarotra izany. Ilaina toe-tsaina manokana hoentina miatrika izany rehetra izany. Toy ny fahaizana mifandray aman’olona, ny fahavononana hiatrika ady, manatona ireo mpitantsoroka eo amin’ny fomba fitantanana, ny fanampiana ara-bola… Ankoatra izay, sarotra ny lalana ary maro ny olana sedraina rehefa eo amin’ny fandraharahana. “Anisan’ny toe-tsaina tafiana amin’izany, ny hahatratrana ny tanjona ary tsy mila kivy fa mandroso hatrany”, hoy kosa ny mpandraharaha iray, Andriamijoro Mino. Araka ny nambarany, tsy mahazo mihonona amin’ny zavatra iray ny tanora hisehatra amin’ny fandraharahana. Tsy maintsy misy tsy mety foana eny am-piandohana ary miveriverimberina matetika izany fa tsy azo atao ny kivy fa milofo hatrany.
Volena anatin’ny toe-tsaina
« Mila volena ao anatin’ny toe-tsain’ny zaza sy ny ankizy malagasy ny toe-tsaina mandraharaha », hoy ny filohan’ny filankevim-pitantanana eo anivon’ny tranoben’ny fandraharahana, Nosy Seheno. Tokony hampidirina ao anatin’ny fandaharam-pampianarana izany hamolavola ny sain’ny tanora malagasy dieny mbola kely. Tanjona amin’izany ny mba tsy hahatonga azy ireo hiankin-doha amin’ny fiasana amin’ny orinasa fa hanangana ny orinasany manokana sy mahaleo tena, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Fitaovana fa tsy sakana ny vola
Efa betsaka sy maro ireo Malagasy miditra sy misehatra ao amin’ny fandraharahana ankehitriny. Mbola maro ihany koa anefa ireo tsy sahy sy matahotra ny hiditra ao anatin’izay, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Sakana ho an’ny ankamaroan’ny tanora ny tsy fahafantarana lalana hizorana sy ny olona hatonina hakana traikefa amin’ny fandraharahana. Olana hafa ihany koa ny sakana ataon’ny ray aman-dreny sy ny fanakiviana ary ny fampitahorana mahazo ireo maniry hisehatra amin’izany. Fanampin’izany, tahotry ny olona sasany ihany koa ny filazana fa natokana ho an’ny mpanam-bola irery ihany ny fandraharahana. Eo koa ny fanokanana vola be atao “fond” eny am-piandohana. “Fitaovana enti-manatanteraka ny fandraharahana ny vola fa tsy sakana ary mety kokoa ny fampiasana vola kely ao anatin’izany”, hoy hatrany ny filohan’ny Ceere, Iavobe Njaka. Nilaza izy fa tsy ny vola no sakana fa ny zavatra ho hamidy mihitsy no tsy hain’ny tanora ny mitady azy.
Tombony amin’ny fandraharahana ny fisafidiana sy fitiavan’ny tanora ny zavatra ataony. “Amin’ny sehatry ny fandraharahana, mahatsapa ianao fa hoe ny olona no hanome vola anao amin’ny alalan’ny zavatra ataonao ary mahatonga anao mifototra izany”, hoy hatrany ny filohan’ny Ceere. Lasa mivelatra ho azy ny olona iray rehefa mandraharaha. Mila fantatra sy hay foana rehefa misy zavatra miova raha tsy izany very ny mpandraharaha iray.
Nanatontosa : Mino