Manomboka taitra amin’ny torimasony ny Malagasy. Liana amin’ireo fomba amam-panao navelan’ny teo aloha. Tsy vitsy ireo nanapa-kevitra ny hanaraka izany avy hatrany… Roso ny dia !… Manentana, manazava, sns. Mirehitra indray ilay fitiavana ny an’ny tena!
Malagasy vanona, Malagasy vonona! Ireo avy hatrany no mby ao an-tsain’ny Malagasy raha vao voakitika ny any an-doharano. Vonona ny hiverina sy hampiasa, satria, izay no hahavanona ny taranany sy i Madagasikara. Mirehitry ny hafanam-po ny tanora. Miseho amin’ny endrika masiaka sy hentitra, satria, vonona ny hiaro sy hiaina ny fomban-drazany indray. Tahaka izany koa ireo lehibe, vonona ny hampita amin’ireo taranaka. Tafaray samy mafana fo.
Tsy azo hadinoina anefa fa mbola tsy ampy fampahafantarana ny eny na ny any « an-doharano », ny Malagasy. Marobe ny tsy mahalala akory ny momba azy sy ny fianakaviany ary ireo razana nipoirany. Tsy vitsy ireo tsy mahafantatra ny fady iraisana. Tahaka izany koa ny fahalalana ny tantara, sns.
Ankoatra izay, tsy azo hodian-tsy hita ny lalana nizoran’i Madagasikara tao anatin’ny taona maro. Nanao izay hamotehana ny momba ity Nosy ity sy ny Malagasy (fomba amam-panao, teny, tany, harena, finoana…), ny ankamaroan’ireny. Mbola ady goavana ihany koa ny fanarenana izany
Tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy ny fanarenana
Efa misy ny hafanam-po, saingy, tsy ampy hanaovana sy hanovana zavatra izany. Mila fotoana ny ray aman-dreny hitafana amin’ny zanany. Iny ilay takariva amorom-patana hita sy niainana tany ambadik’Imanareza. Mila tezaina sy hampianarin’ny zokiolona ny fomba amam-panao ny ankizy sy ny tanora eo amin’ny fari-bohitra. Efa maro anefa ny tanàna tsy manana na tsy ahitana kianja intsony. Ampahan’ny olana tsy maintsy sedrainy ireo raha tiana ny hahita vokatra tsara eo amin’ny fampitiavana sy fiainana ary fanomezan-kasina ny fototra. Noho izany, na eo aza ny hafanam-po, tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy ny fanarenana.
Azo atao tsara, anefa, ny manova hatrany ifotony. Ovaina hanome lanja sy hasina ny fototra, ohatra, ny fandaharam-pianarana iray manontolo, isan’ambaratongany…
… Saingy, ho an’ny Malagasy sy i Madagasikara, mbola ny vahiny sy mpilalao politika ihany no masi-mandidy amin’ny fanapahan-kevitra tahaka izany, ka mety hiandry vasoka eo ny rehetra !
HaRy Razafindrakoto