Fizahantany : miroborobo ny asa sy ny fihariana any Menabe

Nampihaona ireo mpisehatra amin’ny fizahantany “Tour opérateur” teny Ambohibao, tamin’ity herinandro ity, ny eo anivon’ny Groupe Kimony. Nivoitra tamin’izany ny fampahafantarana ireo toerana sy “site” ary tolotra marobe ho an’ny mpizahatany. Nambaran’ny mpandraharaha, i Abdulla D., fa efa nanomboka niainga sy miarina ny fizahantany any amin’
iny faritra iny amin’izao fotoana izao. Tafakatra hatrany amin’ ny 74% izany ny taona 2023 raha mitaha ny teo aloha. “Mite­raka asa sy seha-pihariana maro izany ary mampandroso iny faritra iny amin’ny lafiny maro”, hoy izy. Anisan’izany ireo mpanjono madinika, ny mpamboly sy ny mpiompy mamaly ny filan’ireo trano fandraisam-bahiny eo amin’ny vokatra. Eo koa ny nananganan’izy ireo ny foibe ho an’ny fihariana sy ny fizahantany “Centre eco-touristique- CEM” any Menabe sy eny Ambohibao. “Manofana ireo tanora maherin’ny 200 hisehatra amin’ny asa tanana sy ny momba ny hotely izahay. Ny mpiseradia koa misitraka tombontsoa koa amin’izany fizahantany izany”, hoy ihany izy. Manampy izany ny fanamboaran-dalana amin’ireo toerana mahaliana ireo mpizahatany.
Etsy andaniny, nanorina fotodrafitrasa toy ny sekoly ha­nabezana ny ankizy hiaro ny tontolo iainana izy ireo, amin’ny alalan’ny tanin-janakazo.

Synèse R.

Partager sur: