Olan’ny baolina kitra : mafana ny ady eo amin’ny Fosa Juniors sy ny AS Fanalamanga

Niakatra ny maripanan’ny raharaha Joma, Malagasy mpilalao! Namoaka ny heviny tao anaty tambajotran-tserasera ny Fosa Junio Boeny, omaly, taorian’ny fanambarana nataon’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny AS Fana­lamanga, ny zoma lasa teo, teny Nanisana. Nilaza ity klioba ity fa efa niakatra eny anivon’ny tribonaly misahana ny ady ara-panatanjahantena (Tas) sy ny Fifa ny resaka mahakasika an’i Joma, amin’izao fotoana izao.
“Manantena izahay fa hanome valiny marina sy mahitsy ny Tas ka hanasazy ny AS Fanalamanga na ara-bola, na ara-panatanjahantena”. Nambaran’ireo tomponandraikitra ao amin’ny Fosa Juniors. Nomarihin’izy ireo ihany fa tsy mpilalaon’ny AS Fanalamanga intsony i Joma. Efa nomarihin’i Joma tamin’ny kliobany vaovao fa tsy misy zavatra mampiray azy amin’ny AS Fanalamanga intsony. Tsy nandray karama i Joma, nandritra ny enim-bolana mialohan’ny fahataperan’ny fifanarahana tamin’ity klioba avy atsy Moramanga ity. Tsara ny mampahafantatra fa nifarana ny taona 2023 lasa teo izany.
Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa efa nangataka ny hi­fampiresaka amin’ny AS Fanalamanga ry zareo saingy tsy nisy valiny hatramin’izao. Tsara marihina fa mbola hanohy ny fifaninanam-pirenena iha­ny ity klioba avy any Boeny ity, na dia tsy eken’izy ireo aza ny sazy mianjady ny mpilalaony.

Fitia Randria

Partager sur: