Ny toe-tsaina sy ny toe-po ary ny fihetsik’ireo mpitondra kodiaran-droa eny an-dalana no tena antony voalohany mahatonga ny lozam-pifamoivoizana. Tsy foana fa miha mitombo hatrany ny tahan’ ireo tranga sy ny fahafatesana vokatr’izany.
Manodidina ny 70 ny trangana lozam-pifamoizana tamin’ny kodiaran-droa (moto) teto Antananarivo sy ny manodidina, teo anelanelan’ny volana janoary sy avrily tamin’ity taona ity. Nahatratra 18 ireo maty vokatr’izany, tanora avokoa ny ankamaroan’izy ireo, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny Direction générale de la sécurité routière (DGSR). Manodidina ny 221 ireo olona lasibatra ary 203 kosa ireo naratra. 163 ny lehilahy tamin’izy ireo, raha 58 kosa ny vehivavy. Maro ny antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana, raha ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny DGSR hatrany. Ny toe-tsaina sy ny toe-po ary ny fihetsik’ireo mpitondra kodiaran-droa eny an-dalana no tena antony voalohany mahatonga ny loza, izay manodidina ny 89% ny tahan’ izany. Tafiditra ao anatin’izany ny hetraketraky ny mpitondra, ny fitiavana mandeha mafy, ny tsy fahazaina mifandefitra, ny fisongonana any amin’ny ankavanan-dalana ary ny tsy fahaizana lalàna mifehy ny fifamoivoizana… Antony faharoa ny tsy fahatomombanana eo amin’ ny lafiny teknikan’ilay kodiaran-droa, izay manodidina ny 8% eo ny taha. Antony fahatelo kosa ny tsy fahatomombanana eo amin’ny lafin’ny lalana, manodidina ny 3% eo ny taha mahakasika izay, raha ny tatitra voaray hatrany. “Vokatry ny toe-tsaina sy ny tsy fahafehezana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana no tena antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana amin’ny moto”, hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanan’ny RSC, Andriamanamidona Tsiferana. Nambarany fa maro amin’ny mpitondra moto eto Madagasikara no tsy mahafehy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy tsy manana taratasy fahazoan-dalana hamily. Nilaza izy ireo fa tokony hanana taratasy fahazoan-dalana ihany koa ny mpitondra moto, indrindra ho an’ny kodiaran-droa mihoatra ny 53 cm3. 5% ny mpitondra moto eto Madagasikara ihany no manana taratasy fahazoan-dalana, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny fikambanan’izy ireo hatrany. Antony iray tena mahabetsaka sy mampirongatra ny lozam-pifamoizana ihany koa ny tsy fananana izany. Anisan’ny lalàna tokony ho hain’ny mpitondra moto ny tsy tokony hisongonana any amin’ny ankavanan-dalana satria mampidi-doza. Misy ny lamandy sy ny sazy azon’ireo tsy manaraka na mandika lalàna, araka ny andininy 312, ao anatin’ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. “Tsy ampy ihany koa ny fanentanana sy ny fampianarana ny fomba amam-panao eo amin’ ny mpitondra moto”, hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny fikambanan’ny RSC.
Tahotra polisy ny hanaovana aroloha
Mba hahafahana miaro ny olona iray amin’ny loza, ilaina ny fanaovana ireto zavatra manaraka ireto. Tsy maintsy manao aroloha sy arotanana ary baoty avokoa ny mpitondra kodiaran-droa tsirairay. Tsy maintsy manao aroloha avokoa na ny mpitondra na ny hoentina, mba hiarovana ny aina raha sanatria misy ny loza miseho.
Amin’ny ankapobeny, matahotra ny fisavan’ny mpitandro filaminana ireo mpitondra moto, antony mahatonga azy ireo hanao aroloha, raha ny fanadihadiana natao. Rehefa akaiky hiditra mpitandro filaminana ihany ny ankamaroan’ny mpandeha vao mametaka izany. Tsy tokony ho ny mpitandro filaminana anefa no atahorana fa ny fitsinjovana ny ain’ny mpitondra sy ny entina, raha ny fanazavana voaray hatrany. Natao ary ezahina ny hampanarahan’ny mpitondra moto ireo rehetra ireo mba hampihenana ny trangana lozam-pifamoivoizana amin’ny kodiaran-droa eto
amin’ny Nosy.
“Manana toe-tsaina tsy mahay mifandefitra, tsy manaiky diso ary tsy mahay mifampihaino ny mpampiasa lalana, hany ka lasa sehatra iray hifamonoana fa tsy hifanavotana sy hifanampiana ny eny an-dalana”, hoy ny filoha, Andriamanamidona Tsiferana. Tsy misy tomponandraikitra manokana misahana ny kodiaran-droa eto Madagasikara ary ezaka ataon’izy ireo ny mandray andraikitra manoloana izany.
Nisitraka fampiofanana ireo mpitondra moto
Nisitraka fampiofanana, tetsy amin’ny fitsarana fiara By-Pass, avy amin’ny fikambanana RSC sy ny DGSR ireo mpitondra moto eto Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Fotoana koa nahafahana nanao velakevitra sy adihevitra teo amin’ny roa tonta. Tanjona ny hanatsarana ny tontolon’ny fitondrana kodiaran-droa sy hanahenana ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana misy eto amin’ny Nosy. “Niha nitombo ny trangana lozam-pifamoivoizana tamin’ny kodiaran-droa, teto Antananarivo sy ny manodidina, ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanan’ny RSC, Andriamanamidona Tsiferana. “Stop aux accidents”, io ny lohahevitry noraisina tamin’izany. Miainga avy amin’ny mpitondra moto mihitsy ny fitandroana ny ainy, manampy azy ireo hiaro ny ainy kosa ny fikambanan’ny mpitondra moto. Tafiditra ao anatin’ny fampiofanana maimaimpoana ireo mpampiasa sy mpitondra moto manerana an’i Madagasikara ny hetsika tahaka izao. Mba hahatonga azy ireo ho mendrika eny amin’ny lalana sy eny rehetra eny, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Nisy ny diabe nataon’ireo mpitondra moto nandray anjara, taorian’ny velakevitra. Ankoatra ny fiofanana ataon’izy ireo ho an’ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny kodiaran-droa, midina ifotony eny anivon’ny sekoly ihany koa izy ireo manentana ny mpianatra mahakasika ny aro loza. Izay iarahan’izy ireo miasa amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Ankoatra izay, miara-miasa amin’ny DGSR sy ny ATT ihany koa ny RSC amin’ny hetsika samihafa.
Hisy ny fampiofanana maimaimpoana karakarain’izy ireo afaka iray volana. Mahakasika ny fampiasana kodiaran-droa, mba hamerenana ny lesona tany amin’ny auto-ecole, no antony. Andrasana, amin’izany, ireo mpitondra moto rehetra eto Madagasikara.
Nanatontosa : Mino