Fetin’ny Pantekoty : nomarihin’ny maro tamin’ny fivavahana sy fiaraha-mifety eo anivon’ny tokantrano

Marihina sy an­ka­lazaina isaky ny alahady fahafito aorian’ny fe­tin’ny Paka ny Pantekoty. Ahatsia­rovan’ny fiangonana ny filatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ireo apostoly izany. Ani­san’ny mankalaza io fety io ny fiangonana katolika sy ny protestanta (FJKM) (FLM).

Toy ny mahazatra, nandeha nivavaka nankalaza ny fetin’ny Pantekoty tany am-piangonana avokoa ny mpino tsirairay ny alahadin’ny Pantekoty teo. Feno hipoka avokoa ny ankamaroan’ny fiangonana. Nahitana fidirana intelo sy inefatra toy ny isak’alahady tsotra ihany izany,
amin’ny ankapobeny. Fotoana manan-danja ho an’ny krisitianina rehetra ny fankalazana ny fetin’ny Pantekoty satria ankalazana ny filatsahan’ny Fanahy Masina tamin’ireo apostoly mpianatr’i Kristy, izay tsaroana mandraka ankehitriny. Ankoatra izay, fotoan’ny sakramenta eo anivon’ny fiangonana mba hanaovana ny “confirmation” na ny fandraisana ny Fanahy Masina eo amin’ny mpino ihany koa io fotoana io, indrindra ho an’ny katolika. “Ahazoana ny Fanahy Masina ny fankalazana ny fetin’ny Pantekoty ka tsara ny hankalazan’ny tsirairay izany”, hoy Arthur, mpiangona eo anivon’ny fiangonana katolika. “Ahazoana ny famelan-keloka ny fandraisana ny Fanahy Masina. Tokony hanana fahavononana ny mpino tsirairay handray ny vatan’i Kristy mandritra ny fetin’ny Pantekoty”, hoy kosa Ra­ma­ro­son Sonia, mpiangona.
Samy manana ny fomba hanatanterahina izany kosa ny krisitianina sy ny fiangonana tsirairay.

Nankalazana ny herinandron’ny Fanahy Masina
Misy ny fankalazana mandritra ny herinandron’ny Fa­na­hy Masina alohan’ny fahatongavan’ny Pantekoty. Amin’ny ankapobeny, tsy mitovy amin’ ny fankalazana ny fetin’ny Paka ity fety iray ity satria misy ireo tsy mankalaza ny fety mandritra ny herinandro alohan’ny alahadin’ny Pante­koty io. Nanomboka ny Alatsi­nainy heriny lasa teo ary nifarana ny zoma talohan’ny Pantekoty io herinandron’ny Fanahy Ma­sina io, ho an’ny mpino eo anivon’ny fiangonana FJKM.
Midika fa Andriamanitra no miara-miasa amin’ny olona, amin’ny alalan’ny Fanahy Ma­sina. “Noho izany, mila omena toerana malalaka ao am-pon’ny tsirairay avy io Fanahy Masina io mba hahafahana manatanteraka zavatra tsara eo amin’ny fiainana”, hoy ny Pastora Andriambo­lo­lon­tsoa Benjamina. Azon’ny olona amin’ny alalan’ny fanaovana batemy na batisa ny Fanahy Masina. Nambarany hatrany fa tokony hanome toerana malalaka ny Fanahy Masina ao anatin’ny fony ny olona tsirairay. Tsy mitarika ny olona afa-tsy ny fanaovana ny sitra­pon’Andriamanitra irery ihany mantsy ny Fanahy Masina.

Niara-nifety ireo mpianakavy ny alatsinain’ny Pantekoty
Niara-nikarakara sakafom-pifaliana ny mpianakavy toarian’ny fotoam-pivavahana ny Alahadin’ny Pantekoty. Niara-nikarakara sy nanao fiaraha-misakafo ny ankamaroan’ny mpianakavy. Nitohy ny andron’ny alatsinain’ny Pantekoty kosa izany fety izany.

Somary nangina tsy toy ny isan-taona ny fankalazana ny fetin’ny alatsinain’ny Pante­koty tamin’ity taona ity. Ni­sa­fidy ny nankalaza ny fety teo anivon’ny tokantrano ny ankamaroan’ny Malagasy tamin’ity andro ity. Noho ny tsy fisiam-bola teo am-pelatanan’ny tsirairay satria anelanelam-potoana ny alatsinain’ny Pantekoty tamin’ity taona ity, raha ny fanadihadiana natao. Azo fintinina tamin’ny fiarahana nanao fety am-pilaminana teo anivon’ny tokantrano, fiarahana mitsangantsangana tsy niala lavitra, fijerena fety izany… “Tsy nisy vola natokana hanaovana fety tamin’ity taona ity fa tafiditra tao anelanelam-potoana sady tsy fotoana fandraisan-karama ka nananosarotra ny fankalazana ny fety”, hoy Raharilala Mamy, raim-pianakaviana.

50 000 hatramin’ny 150 000 Ar nomanina

Amin’ny ankapobeny, nanomana vola manodidina ny 50 000 Ariary teo ny tokantrano nisafidy ny hijanona an-trano nahafahana nanao ny fetin’ny pantekoty. Somary nitombo kely kosa io lelavola io raha toa ka nisafidy ny handeha hiala hivoaka kely hitondra fiara. Nahatratra hatramin’ny 150 000 Ariary kosa izany. Tsy nahasakana ny olona sasany niala kely an’Antananarivo kosa ny tsy fisiam-bola tamin’ity fety ity. Anisan’ny nahasarika azy ireo ny nandeha tany amin’ny lalam-pirenena voalohany, RN1 sy RN7, toa an’ Ambatomirahavavy, Imerintsiatosika, Ambatofotsy, Antsirabe…

Ankoatra ny mpianakavy, niara-nialavoly sy niala kely an’Antananarivo koa ny mpiara-mianatra, ny mpiara-mivavaka ary ny mpifankatia… “Efa fanaonay isaky ny fety ny fiarahana mivoaka sy mitsangantsangana ka antony mahatonga anay miala kely ny renivohitra”, hoy Randrianandrasana Julien, raim-pianakaviana nanontaniana. “Efa nanomana vola izahay na dia fotoana anelanelam-bolana aza ny fetin’ ny Pantekoty tamin’ity taona ity”, hoy hatrany izy. Ezahina ny hanome fahafaham-po ny ankohonana mandritra ny fety satria io irery ny fotoana hahafahana miara-mifety sy mifampitaona ho an’ny mpianakavy, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: