Tsy zovina amin’ ny mpankafy fanatanjahantena, indrindra ny baolina kitra, raha i Ronaldo. Mpankafy ary anisan’ ny mpanentana mahafatra-po izy rehefa misy lalao iraisam-pirenena tanterahina eto Madagasikara.
Didier Eymard no tena anarany fa Ronaldo Jojoline no ahafantaran’ny mpankafy fanatanjahantena, indrindra ny baolina kitra, azy. Raim-pianakaviana 51 taona, manan-janaka efatra i Ronaldo. Misehatra eo amin’ ny fanentanana ny lehilahy ary efa hatramin’ny fahakeliny izy no efa nanao izany. Ankoatra ny fanentanana amin’ny baolina kitra, mpandihy sy mpanentana amin’ny lanonana sy fampisehoana ihany koa ny tenany. « Tsy mikarama ary tsy mandray vola rehefa manao fanentanana, miala maina », hoy i Ronaldo. Misy kosa anefa ireo mpilalao sy mpanazatra sasany manome vola ho mariky ny fifaliam-po, araka ny nambarany hatrany.
Tsy maintsy tazana eny Mahamasina, raha vao misy lalao baolina kitra ataon’ny ekipam-pirenena malagasy, i Ronaldo Jojoline. Mampiavaka azy ny fanentanany ireo mpijery. Tsy mpijery baolina na mpanentana fotsiny izy fa tena manohana voalohany hatramin’ny farany mihitsy, na inona na inona zava-mitranga eo ambony kianja. Raha ho an’ny fanentanana manokana, fony izy mbola kely no efa nanao izany, tamin’izy tao amin-dry Masera Sainte Trinitaire Belera. Ankoatra izay, nampitombo sy nampivelatra ny fomba fanentanany ihany koa ny niainany dimy taona teny amin’ny Centre de Reeducation Anjanamasina. Manodidina ny 30 taona izay no nanaovany sy niseharany teo amin’io sehatra io. Misehatra eo amin’ny dihy ihany koa izy. Mampiavaka azy ny fanaovana dihy fanaon’i Mickael Jackson. Araka ny nambarany, anisan’ny mpandihy sangany tany amin’ny faritra Sava izy tamin’izany ary mpandresy matetika tamin’ny fifaninanana tany an-toerana.
Efa nilomano teo amin’ny sehatry ny baolina kitra ihany koa anefa ity mpanentana ny mpijery baolin’i Mahamasina ity. Teny Ambohitrakely Betongolo teny no nanombohany ny baolina kitra. Nitohy teny amin’ny Ajesaia Itaosy taorian’izay. Klioba maro tany amin’ny faritra ihany koa no efa nilalaovany, araka ny nambarany hatrany. Anisan’ izany ny klioban’ny Fosa Juniors. Fiondanana an’i Ronaldo, Brezilianina, tamin’izany, kosa no nahatonga ilay anarana. Na ny fiakanjo na ny hetim-bolo mantsy dia tena nitovy tamin’ny an’i Ronaldo, Brezilianina, ny an’i Ronaldo Jojoline. Teo ary no naharaikitra azy ho Ronaldo. Raha tsiahivina, efa tamin’ny andron’ny Scorpion de Madagascar no nisian’izany Ronaldo Jojoline izany.
«Tohano ny antsika », hoy izy
Manohana amin’ny fo fa tsy vitan’izay mankafy fotsiny i Ronaldo, ary tena tia ny ekipam-pirenena malagasy, indrindra ny baolina kitra. « Firenena sy klioba avy any ivelany maro no efa niantso ahy hanentana ny mpijery baolina ao aminy saingy tsy nandeha aho fa aleoko eto Madagasikara sy manohana ny ekipam-pirenena malagasy ihany » hoy i Ronaldo. Manao antso avo anefa izy ny mba tokony hijerena manokana azy sy Ilaimanoto (Mascotte).
« Isaorana ireo nanome »
Araka ny nambaran’ity mpitarika ny fanohanana eny amin’ny kianja Barea rehefa misy lalao ity, maro ireo olona sy tomponandraikitra nilaza fa hijery manokana azy, saingy tsy mbola nisy izany hatramin’izao. Nisy kosa anefa ireo mijery sy manome tolotra fifaliam-po ho azy. Hitan’ny rehetra ary tena nalaza indrindra amin’izany ny avy amin’i André Haja Resampa, minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Ankoatra iny anefa, efa nisy ihany koa ny nanolotra saingy tsy hitan’ny rehetra izany. Anisan’izany i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barean’i Madagasikara teo aloha. Ity mpanazatra ity izay tena afapo sy nanambara fa anisan’ny antoky ny fahombiazany ny nataony, araka ny nambaran’i Ronaldo. Teo ihany koa i Faneva Ima, i Arohasina na Dax, ary i Baggio, mpilalaon’ny Fosa Juniors taloha. Ireo no mpanome, araka ny nambarany. « Ny firaisankina sy fitambarana no tena tiako sy ilaiko », hoy i Ronaldo. Nanambara ihany koa ity farany fa tena hahafinaritra ny hahita ny ekipa hiray hina manao tsipaipaika nisaotra saingy raisiko hatrany rehefa misy mpilalao manome manokana.
Nahafinaritra ny mpanaraka ny lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasikara, ny fihetsika nataon’ity mpitarika ny fanohanana ity. Taranja maro no nahitana azy nandritra ireny lalao ireny, raha tsiahivina. Ankoatra ny baolina kitra, tonga nanentana tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ihany koa ny tenany. « Tsy nisy nanery aho, ary mbola niala vola am-paosy aza, saingy tiako ilay izy ary tiako i Madagasikara », hoy izy namarana ny teniny.
Nanatontosa : Lin
Sary : nomena