Maro ny vehivavy manana talenta sy afaka manao zavatra eto Madagasikara fa betsaka koa ny sakana tsy ahafahany mamoaka izany, raha ny zava-misy. Indrindra ny fidirana eo amin’ny sehatry ny fandraharahana.
Mbola matahotra sy tsy sahy miditra amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny ankamaroan’ny vehivavy, Malagasy. Olana voalohany indrindra mahatonga izany ny tsy fananana fahatokisan-tena hanantanteraka sy hahavita zavatra iray. Eo koa ny tahotra hanao fahadisoana. « Betsaka ny vehivavy mahavita zavatra sy tokony ho lasa lavitra saingy tsy manana fahatokisan-tena sy fahasahiana”, hoy i Tania Pierrina, coach bien-être, pranathérapeute et conseillère en image. Tsy sahy miseho amin’ny tena maha izy azy ny ankamaroan’ny Malagasy. “Noho ny fitsaran’ny olona, tahotra sy henatra eo amin’ny fiarahamonina ka tsy mampivoaka ny maha izy azy sy ilay zavatra tsara ao anatiny ny olona”, hoy hatrany izy. Olana faharoa ny kolontsaina sy ny hevi-draikitra eny amin’ny fiarahamonina. Anisan’izany, ireo fanapepoana amin’ny endriny maro samihafa, izay manakana azy ireo tsy sahy hanao zavatra eo amin’ny fiainany. Mbola manjaka ny fiheverana fa natao hipetraka sy hikarakara tokantrano fotsiny ny vehivavy. Mihevitra foana ny vehivavy fa fanaka malemy ka tsy afaka manao zavatra tsara, tsy mahazo miteny… Mihabetsaka ny lehilahy manapepo ny vadiny fa tsy afaka mahavita zavatra. Eo ihany koa ny ray aman-dreny manomana sahady ny zanany vavy ho lasa mpikarakara tokantrano. Vokany, lasa izay ny ao anatin’ny sainy rehefa lehibe izy ary mbola izay ihany koa ny hanabeazany ny zanany rehefa any aoriana. Ireo antony ireo ny mahatonga ny vehivavy tsy mandraharaha eto amin’ny Nosy. “Tsy hivoatra mihitsy izy ireo raha tsy misy ilay olona manome torohevitra sy manampy ary misintona azy ireo hiala ao anatin’izay”, hoy hatrany izy. Raha misy vehivavy sahy sy mamiratra dia heverin’ny maro fa miseho milay sy tsy mila lehilahy intsony. Ilaina hatrany anefa ny fifamenoana sy fifampitokisana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy mba hampatanjaka tsara ny tokantrano, raha ny fanazavany hatrany. Mamiratra ianao fa tsy manaloka ny hafa, io ny toe-tsaina tokony hananan’ny vehivavy tsirairay avy.
Endrika ivelany, ahitana
ny toe-po sy fanahy
“Raha tsy mahatsapa fahatsarana dia tsy afaka ny handroso mihitsy na inona tanjona tiany ho tratrarina, na eo amin’ny sehatry ny asa na eo amin’ny fiainany iray manontolo mihitsy”, hoy hatrany izy. Anjara andraikitra noraisin’i Tania Pierrina ny manampy sy mandray an-tanana ny olona iray mba hanana izay toe-panahy tsara izay. Amin’ny alalan’ny fanomezana torohevitra sy fikarakarana ary famoahana ny maha izy azy ny olona iray. Tanjona ny hivelaran’ny maha izy azy ny olona iray. Manampy izany ny torohevitra hanatsarana ny endrika ivelany. Nilaza izy fa zava-dehibe ny endrika ivelany satria ahitana ny toe-po sy toe-panahy any anaty izany ary hahafantarana ny maha izy azy ny olona iray ihany koa. Matetika mamirapiratra be ny ao anatin’ny olona iray fa tsy hitan’ny olona ety ivelany izany. Ny fahatsapana izany no antony anaovany ny torohevitra mahakasika ny endrika ivelany mba hampivoaka ny maha izy azy ny olona.
Ilaina ny fahafantarana ny talenta
Manana talenta avokoa ny olon-drehetra, fa maro ny tsy mahafantatra izany eo amin’ny fiainany. Misy ny diso lalana amin’ny talenta satria manana talenta maro samihafa. “Miverena any amin’ny fahazazana, fantarina ilay zavatra tsy nilaina nampianarina fa hay ho azy”, hoy hatrany i Tania Pierrina. Ohatra amin’izany, ny fitiavana manjaitra, mahandro sakafo…Misy ny olona manana talenta maro eo amin’ny fiainany. “Ezahina ny mampitambatra sy hitovizan’ ireo talenta maro ireo mba ho lasa asa fitadiavam-bola”, hoy hatrany izy. Manampy betsaka ny fanatanterahana izany koa ny fanovozana fahalalana mifanaraka amin’ny talenta. Fomba iray ahafantarana ny talenta eo amin’ny olona iray izany.
Tohanana ny vehivavy mpandraharaha
Tontosa ny herinandro lasa teo, tetsy Ankorondrano, ny Salon des créatrices Neny Manja, andiany voalohany. Hetsika nokarakarain’ny Jejoo club. Tonga nisitraka sy nandray anjara tamin’izany ireo vehivavy mpandraharaha 40 teto Antananarivo sy avy any amin’ny faritra. Tanjona ny hanohanana ireo vehivavy mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny asa sy hanomezana tosika ary hampahaleo tena azy ireo eo amin’ny fitadiavam-bola ataony sy ny vokatra vokariny. “Mahavita zavatra ny vehivavy saingy tsy ampy fahasahiana sy fahatokisan-tena ary hijoro miaraka amin’ireo vehivavy mpandraharaha efa sangany ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy Randrianarimanana Ando, tomponandraikitry ny hetsika. “Raha tsy tonga miasa eny anivon’ny orinasa ny vehivavy dia afaka manomboka asa ao an-tokantrano”, hoy hatrany izy.
Nahitana ireo karazana asa tanana amin’ny endriny maro samihafa teny an-toerana. Heverin’ny maro fa sehatrasa madinika ny asa tanana. “Lehibe izy io rehefa tena jerena satria mitaky fotoana, fitiavana ary finiavana be ny fanaovana asa tanana, izay anisan’ny maha lafo azy”, hoy hatrany ny fanazavana.
Nanatontosa : Mino