Sahy maty! Voasambotra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny teratany srilankey nikasa hihazo ny Nosy Maorisy. Nahatrarana vato sarobidy maro tao an-kibony. Natsofoka tany amin’ny lava-pitombenany.
Voasambotry ny polisy misahana ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny fivezivezen’ny mpandeha mivoaka sy miditra (PAF Ivato) eny amin’ny seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato, ny talata 13 desambra 2022 teo, ny teratany srilankey iray.
Nambaran’ny mpandraharaha misahana ny fampitam-baovao eo anivon’ny polisim-pirenena, nitondra vato sarobidy safira izy. Nikasa hitondra izany hihazo ny Nosy Maorisy kanjo voasambotra mialoha ny fiondranana. Nafeniny tao anatin’ny lavaka famoahana maloto, tanaty fitombenany ny vato kely an-jatony. Nandalo fisavana teo amin’ny fitaovana fitiliana na “scanner” toy ireo mpandeha rehetra izy. Tsy hitan’ny fitaovana izany, mialoha ny nahatratrana azy.
Tsikaritry ny polisy ho hafahafa ny fihetsiny. “Tsy mitombina tsara, mitsingilaila toy ireny olona mararin’ny ”hémorroide” ireny izy. Na ireo olona teo akaikiny aza gaga. Mety efa nanaintaina angamba izy ka tsy mahazo aina”, hoy ny mpanao famotorana iray, tao amin’ny polisy ekonomika, nanontaniana. “Nanamafy izay rahateo izy, rehefa nanontaniana, nilaza fa marary mafy ka sahirana rehefa mipetraka”, hoy hatrany ny fanampim-panazavana.
Handoa volan-tsazy
Niantso dokotera ny polisy. Natao ny fiazahana. Hita fa nisy fonosan’entana maromaro tao an-kibony. Nampidirina tao anatin’ny lavaka fanaovana maloto tany amin’ny fitombenany izany. Rehefa vita ny fanamarihana sy fizahana, nasain’ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana navoakany ny fonosana. Rehefa notatahana tamin’ny hety, hita fa vato sarobidy avokoa no tao. Notazonin’ny polisy avy hatrany izy ka tsy afaka nandray ny fiaramanidina tokony hitondra azy. Voalazan’ny fampitam-baovao, any Srilanka no tena hiafaran’ny diany. Mandalo fotsiny izy ao Maorisy.
Taorian’ny fanadihadiana savaranando natao azy teny Ivato, natolotra ny polisy ekonomika tetsy Anosy izy. Notohizana tao ny fanadihadiana mialoha ny namindrana izany, eny amin’ny polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany, eny Ampandrianomby. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Nambarany fa efa matetika izy, no mitondra entana mivoaka tahaka izao. Efa amam-bolana maro no mitondra vato an-tsokosoko. Tratra ihany anefa nony ela ny ela.
Isan’ireo vato safira manana kalitao tsara ary tsy azo aondrana ireto tratra tany aminy ireto, raha ny fanazavan’ny polisy. Amin’ny maha heloka ekonomika azy ity, dia manana safidy ny mpandika lalana, na hatolotra ny fampanoavana ka mety hiafara amin’ny fampidirana am-ponja. Na miditra amin’ny fanakalozana na ny “transaction”, manefa ny sazy ara-bola mifanaraka amin’ny vidin’entana tsy ara-dalana.
Jean Claude