Tao anatin’ny herinandro maromaro, nitombo ny fitarainan’ny mponin’i Toamasina amin’ireo fanendahana sy fangalarana eny ambony posy sy anatina bajaj ao an-drenivohitr’ i Toamasina. Fitaovana entin’ny jiolahy manao ny asa ratsy ny bajaj sy posy.
Mahatratra 19 ireo jiolahy lavon’ny balan’ny polisim-pirenena nanomboka ny fiandohan’ny taona 2024 hatramin’ity volana jona ity, raha ny tatitra voaray. 11 tamin’izy ireo lavon’ny Force d’intervention de Police (Fip). Nahatrarana basy P.A roa sy fanafody gasy 1 kilao izy ireo, raha ny fanazavan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Lavon’ny Police centrale kosa ny 7 tamin’izy ireo.
Tranga vao haingana, vehivavy mpanao gazety iray lasibatry ny fanendahana ny alin’ny sabotsy teo. Vao avy namita iraka tany Vatomandry izy ary tratra alina teo amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy tamin’io fotoana io. Niseho teo amin’ny Boulevard Rue Radama voalohany Tanamakoa ny tranga.Nitsambikina avy tao anaty bajaj ilay mpangalatra nanao ny asa ratsy tamin’izany, raha ny fanavazana voaray. Ankoatra izay, tanatin’ny telo andro misesy, olona enina mianadahy hafa voasambotry ny mpitandro ny filaminana. Nahitana rongony sy basy ary finday halatra izy ireo, nandritra izany, raha ny fanazavana nataon’ny lehiben’ny Commissariat central, Rakotondrainivonona Panoel Tsiky, omaly. Voamarina, nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy, fa mpitondra bajaja sy manao asan-jiolahy tokoa ny roa lahy tamin’izy ireo.
Tovovavy roa, nandeha bajaj, hody any Ambolomadinika avy namonjy trano fandihizana. “Efa nisy roa lahy hafa tao anatin’ny bajaj, rehefa nandeha kely ny bajaj niakaran’izy ireo”, raha ny fanazavana hatrany. Noheverin’ izy roa vavy ho toy ny mpandeha rehetra ihany izy roa lahy ireo, kinanjo nandrehitra rongony. “Rehefa niala izahay ary niantso olona tamin’ny finday, dia namoaka antsy ireo roa lahy ireo ary nanambana izany taminay”, hoy izy ireo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny finday “Samsung” sy ny vola tany am-paosin’ izy roa vavy. Mbola naratra teo amin’ny orony sy ny tanany moa izy roa vavy tamin’izany. Voasambotry ny mpitandro ny filaminana moa ireo jiolahy ireo taorian’ny fikarohana nataon’ ny polisy.
Mpanakanto mivady mpamongady zava-mahadomelina
Ankoatra izay, voasambotry ny mpitandro ny filaminana ny mpanakanto sy ny vady andefimandriny any Toamasina. Voarohirohy ho manaparitaka zava-mahadomelina any an-toerana izy ireo, raha ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Nahagaga ny maro ny trangan-javatra toy ity. Nahazo loharanom-baovao ny polisim-pirenen ao amin’ny Centrale fa misy mpanakanto mpamatsy rongony ao Tanambao Verrerie. Natao ny vela-pandrika rehetra ka nahatrarana izany tokoa ireo mpanao ratsy. Tra-tehaky ny polisy “UIR” teo am-pitondrana fehin-drongony roa izy ireo. Nosavaina ny tranony avy eo ary nahitana kitapo sy “sachet” fitondra amin’ny taksibrosy. Nahitana basy poleta 7,6 milimetatra iray sy bala dimy ihany koa.
Tsy hitsitsy ny polisim-pirenena
Fotoana hiatrehan’ny Malagasy rehetra ny asaramanitra ny volana jona. Vanim-potoana mampirongatra ny asan-jiolahy any Toamasina ihany koa izy io, raha ny fanadihadiana natao. Manoloana izany, tsy mandry andro, tsy mandry alina ny polisim-pirenena raha ny fanomezam-baiko avy amin’ny talem-paritra, ny kaomisera Rakotovao Jean Chrisitian. “Tanjona ny hamongorana ireo endrika tsy fandriampahalemana sy hanelingelina ny fiatrehan’ny rehetra ny fetim-pirenena”, hoy ny talem-paritry ny filaminana anatiny any amin’ny faritra Atsinanana. Hisy rahateo ny hetsika goavana any an-toerana amin’ny 15 hatramin’ny 17 jona izao. “Zava-dehibe ny fanatanterahana ny baikon’ny talem-paritra sy lehibe isan’ambaratongany”, hoy ny kaomandin’ny Fip, ny komisera Rafaliarivo Jules. “Tsy hitsitsy amin’ ireo jiolahy minia manakorontana sy hanao asa ratsy mialoha sy mandritra ary aorian’ny fetim-pirenena sy anatin’ny fahatongavan’ny filoham-pirenena eto izahay”, hoy hatrany izy. Nampitandrina ireo zatra ny lalan-dririnina sy fomba ratsy, mba handositra aloha fa hampiasa ny fitaovam-panjakana ny polisim-pirenena. “Aok’izay ny fampihorohoroana fa mila filaminana ny ambany lanitra”, hoy hatrany izy.
Nanatontosa : Sajo