Mandroso ny fametrahana fivilianan-dalana any amin’ny tetezan’i Manambary, PK 173, amin’ny lalam-pirenena fahadimy, RN 5, faritra Sava. Any amin’ny lalam-pirenena mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar ity lalana ity, izay simban’ny rivodoza Gamane farany teo.
Manodidina ny 50 000 hatramin’ny 100 000 dolara ny famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana anglisy ao anatin’ny fandaharanasa TEA. Hampiasana ny vola ny tetikasa ho an’ny famatsiana herinaratra ambanivohitra, hifantoka amin’ny fahasalamana.
Tetikasa hampivoarana ny sehatry ny fiompiana omby ny Agri-Mada. Ifantohan’ny tetikasa ny any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Tanjona ny hampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana omby, ny fanodinana ny vokatra, hanatsarana ny fari-piainan’ny mpiompy. Manohana ny tetikasa ny Banky iraisam-pirenena.
Hanomboka anio ka haharitra roa andro, ny hetsika “Zah@Geek 3.0”, izay atao eny amin’ny Orange Digital Center, Gara Soarano. Hetsika niomerika ara-toekarena izay hampivondrona ireo orinasa maherin’ny 40 mpisehatra amin’ny haitao ara-kajy mirindra. Misy ny tolotrasa sy ny « Job recruting » ho an’ny tanora.