Tropic.com : ilaina ny serasera amin’ ny tambajotra

Tsy mitsahatra mivoatra ny fivoaran’ny serasera. Ao ana­tin’izany ny sehatry ny fiza­hantany. Mandray anjara eny amin’ny Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM) sy ny asa tanana (IHM) eny amin’ny CCI Ivato, ny 20-23 jona 2024 ny orinasa Tropic. com. Misehetra amin’ny lafiny fampiroboroboana ny fifandraisana sy ny serasera amin’ny mpanjifa. Nilaza ny mpitantana ny ori­nasa, Andriamiarintsoa Josce­line, fa tsy maintsy ilaina ny fanarahana ny toetrandro sy ny fivoaran’ny teknolojia. « Anisan’ny fitaovana ilaina am­piasaina amin’izao fotoana izao ny fivoaran’ny teknolojia niomerika sy ny fifandraisan-davitra, fa tsy ampy intsony, ny fanao mahazatra, toy ny fampiasana taratasy, na antontam-baovao hita maso ».
Anisan’ny tena ilana izany fomba fiasa izany ny sehatry ny fizahantany.
Efa maro izao ny mpanjifa mitaky fomba tsotra sy hain­gana, ahalalany ny toerana tiany haleha. Ao anatin’izany ny mom­bamomba ny firenena tiany ho­tsidihina, ny fotodrafitrasa misy, ny tolotra, ny fomba fandoavana ny saran’ny vola aloany, sns. Izany rehetra izany no hifantohan’ny Tropic. com, hanome­zana fahafaham-po ny mpanjifa, sady hanamorana ny filany.

Njaka A.

Partager sur: