Nirefodrefotra ny basy. Lavon’ny zandarimaria ireo roalahy nikasa handroba “villa” tetsy Andranomanga Anosiala ny zoma alina teo.
Maty voatifitra rehefa tratra teo am-pianihana tambohon’ny “Villa” iray tetsy Andranomanga, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohitratrimo, ny alin’ny zoma teo. Efa nihaodihaody teny amin’ny manodidina, nitily toeram-pivarotana ireto jiolahy ireto. Nahatsikaritra izany, nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ny mponina. Nanao fisafoana tsy teny amin’ny faritra voatondro ny zandary saingy nirifatra nandositra ireo olon-dratsy. Tokony ho misasak’alina, hitan’ny zandary nianika tamboho an’ny Villa iray tao anatin’io fokontany io ihany ny roa lahy.
Nikasa handositra
Teo am-pandrenesana ireo zandary nahita azy, nanao tongotra an-katoka ireto jiolahy roa lahy. Nitondra basy vita gasy ireto farany. Nampitandrina ny hijanonan’izy roa lahy ny mpitandro filaminana. Raikitra ny an-kitifitra. Vokany, rotiky ny bala izy roa lahy nikasa handroba. Nogiazan’ny zandary ny basy sy ny antsy teny amin’ny olon-dratsy. Mitohy ny ady amin’ny famongorana ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’iny faritra iny. Manentana ny olona eny ifotony hampihatra ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana hatrany ny zandary.
Tsiferana Randriatiana