Volamena 73,5kg atsy Afrika Atsimo: migadra 10 taona sy mandoa 52 miliara Ar ireo telo lahy

Nivoaka ny alin’ny zoma teo ny didim-pitsarana mom­ba ilay volamena 73,5kg naon­drana an-tsokosoko atsy Afrika Atsimo. Miisa 25 ireo voasaringotra tamin’ity raharaha ity ary niakatra ny fitsarana tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), 67ha ny 18 amin’izy ireo. Migadra 10 taona an-tranomaizina miampy didy fampisamborana ary mandoa lamandy 52 miliara ariary ireo telolahy, ahitana an’i Mam­mo­do sy Regasy ary i Zava tratra tany Afrika Atsimo.

Etsy andaniny, miisa 16 ireo nafahana madiodio. Ny efatra hafa nahazo sazy mihatra, migadra roa taona an-tranomaizina sy iray hafa, migadra 30 volana. Iray hafa mandoa lamandy 10 tapitrisa Ar, sazy mihatra.

Ankoatra izany, hogiazan’ny fitsarana ny volamena sy ny fiaramanidina nampiasaina tamin’izany. Eo koa ny hanomezana onitra maherin’ny 17 miliara Ar ny fadintseranana. Nangataka lamandy 34 miliara Ar kosa ny fanjakana Ma­lagasy.

Manampy izany ny nanafahana ny tale jeneraly teo aloha niandraikitra ny ACM, raha mandoa onitra 10 tapitrisa Ar kosa ny sekretera jeneraly teo aloha, nisahana ny sampandraharaha misahana ny fanaraha-maso ny sidina.

Tsiahivina fa nohitrikitrihin’ny mpisolovava azy telolahy voatana atsy Afrika Atsimo ny tsy fahampian’ny porofo afahana mitazona ireo olona arovany amin’ity raharaha ity.
Volamena nivadika korontamby tanaty birao

Tsiahivina fa tranga niseho ny 31 desambra 2020 ity fanondranana an-tsokosoko volamena ity. Niainga teny Ivato ny sidina tamin’ny alalan’ny fiaramanidina manokana “Jet privé” ary nihazo an’i Toliary ary avy eo nihazo ny any Johanesbourg.
Hatreto aloha izany, tsy mbola tafaverina an-tanindrazana ilay volamena sy ireo telolahy na efa nandeha aza ny fifampiharaharaha amin’ny atsy Afrika Atsimo ny volana mey teo. Tahaka izany koa, mbola tazonin’ny fanjakana kaomorianina ilay volamena 49 kg raha tsy nisy tohiny ny momba ilay volamena, nivadika korotamby tetsy amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Ha­rena an-kibon’ny tany.

Synèse R.

Partager sur: