Jiolahy mpampihorohoro tao Toamasina : mpiray tambajotra amin’ny asa ratsiny ny reniny, polisy teo aloha

Jiolahy raindahiny sy ny namany hafa ary ny reniny izay polisy, naiditra von­jimaika am-ponja tamin’ny volana jona lasa teo. Ani­san’ny jiolahy mpamerin-keloka sy efa manana ny tambajotra matanjaka sy mahery vaika amin’ ny asan-jiolahy izy ireo.

Voasambotry ny polisy tao amin’ny Bazary kely Toamasina ny tovolohay 34 taona sy ny namany roa hafa, tamin’ny 19 jona lasa teo. Malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana any an-toerana izy ireo. Raha ny fanadihadiana natao, tao ambadiky ny asa ratsy nataon’ireto jiolahy ireto ny reniny, izay polisy teo aloha. Nangalarin’ny zanany ny ba­sin’ity polisy vavy ity ary tsy hita. Nanao fanambarana moa fa very ny basiny tamin’izany. Voaroaka tsy ho polisy intsony ny tenany taty aoriana, raha nanohy ny asa ratsiny kosa ny zanany sy ireo namany hafa. Nandritra izany, ity reniny ity no miantoka ny fanaovana ta­ratasy fampivarotana hosoka ireo moto halatra azon’ny za­nany.
Natao ny vela-pandrika rehetra ka voasambotry ny polisy avokoa ireo jiolahy telo sy ity polisy taloha ity. Taorian’ ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana azy ireo, naiditra vonjimaika am-ponja avokoa ireto farany.
Lasibatry ny asa ratsy ataon’izy ireo ny mpitondra kodiarandroa, toy ny moto marika avo lenta sy ny mpandraharaha hividy entana. Toarian’ny vela-pandriky ny polisy avy amin’ny UIR eo anivon’ny “commissaire centrale”, tarihin’ny kaomisera Rakoton­drainivonona Panoel Tsiky, tratra teo am-pifanakalozana moto halatra tao Mangarivotra izy ireo.
Raha ny fantatra, nangalatra moto ana renim-pianakaviana iray teo akaikin’ny Fripe Zone Tanamakoa, ny 12 avrily 2024, izy roa lahy. Naratra vo­katry ny tifitra nahazo azy moa ny iray tamin’ ireo olona roa nitaingina ilay moto. Taorian’io, ny 10 mey, notifirin’izy ireo ny renim-pianakaviana iray hividy entana tamina mpamongady, tao Tanamakoa hatrany. Tsy maty fa naratra teo amin’ny nonony ity ramatoa ity ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Voaroba, tamin’izany, ny lelavola 1 tapitrisa Ariary. Talo­han’io tranga io, tamin’ny 28 marsa lasa teo, nanafika tao Tanambao ireto olon-dratsy ireto. Lasan’izy ireo, tamin’izany, ny lelavola 5 tapitrisa Ariary.

Asa an-terivozona nandritra ny 15 taona

Efa voasambotry ny mpitandro filaminana voalohany ity zanaka polisy ity sy ny na­many iray hafa ny 02 septambra 2020. Noho ny fiampan­gana vokatry ny fanafihana mitam-piadiana sy fampiasana basy tsy ara-dalàna ary vono olona. Araka ny anton-taratasin’ady, laharana 20-Toa/21-2152-RP/20 sy dosie faharoa laharana 13-Toa/21-973-RP/20, nandritra ny fitsarana azy ireo teo anivon’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava tany Toamasina, ny 14 jolay 2021. Fandrobana mpi­tondra moto tany Androranga, ny 27 aogositra 2020, ny tranga voalohany. Fanafihana kioska tany Ankirihiry kosa ny tranga faharoa, ny 11 marsa 2020. Voaroba tamin’izany ny lela­vola 10 tapitrisa Ariary ary maty vokatry ny tifitra nahazo azy ilay niharam-boina. Naharitra adiny efatra ny fotoam-pitsa­rana azy roa lahy tamin’izany. Voaheloka asa an-terivozona nandritra ny 15 taona miampy tsy fahazahoana mandia faritany izy roa lahy taorian’ny didy nilatsaka.
Sary (Sajo)

Navotsotry ny fitsarana ny 21 desambra 2023

Nampiakatra ny didy teo anivon’ny fitsarana fandravana didim-pitsarana teto Antananarivo ny reniny, izay polisy, tamin’ny 21 desambra 2023. Naverina notsaraina izy ireo avy eo ka nohafahan’ny fitsarana izy roa lahy tamin’ny alalan’ny didim-pitsarana fanafahana am-pisalasalana. Notsipahin’ny lehiben’ny fonjan’ Ambalatavoahangy, tamin’izany, ny fila­zana fa tsaho miparitaka ny famitan’izy ireo ny sazy tany am-ponja.
Taorian’ io didim-pitsarana io, nahazo taratasy fivoahana ny fonja malalaka ireto jiolahy roa lahy ireto. Nasehon’izy ireo rahateo ny taratasy fanehoana fa ara-dalàna ny fivoahan’izy ireo ny fonja, fantatra izany nandritra ny fifampiresahana tamin’izy ireo. Niverina nanao ny asa ratsiny indray ireto
farany taorian’izany, izay nampivarahontsana ny mponina rehetra.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: