Voatafika ny teratany karana mivady, omaly, tetsy Behoririka. Maty voatifitra rangahy, maratra mafy ramatoa.
Nirefodrefotra ny basy, omaly, tetsy Behoririka. Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny mpivady teratany karana monina eny an-toerana. Voatifitra teo
amin’ny tratrany ilay lehilahy raha naratra kosa ramatoa vadiny. Omaly atoandro tokony tamin’ny 01 ora teo, tonga tao amin’ny sampana vonjy aina HJRA ireo mpivady voatafika, hoy ny loharanom-baovao iray. Minitra vitsy taorian’izay, tsy tana ny ain’ilay lehilahy manodidina ny 30 taona eo, na dia nanao ny ezaka rehetra aza ireo mpitsabo nandray azy. Tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro teo, tonga tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly ny vata-mangatsiakany. “Bala iray nitifiran’ireo jiolahy azy teo amin’ny tratrany no nitarika ny fahafatesany”, hoy ny loharanom-baovao iray. Mbola mitsabo tena ao amin’ny hopitaly kosa ramatoa vadiny, hoy hatrany ny fanazavana. Hatreto, tsy mbola fantatra ny momba ity raharaha ity. Tsy mbola nahazoana tatitra mahakasika izany ny avy ao anivon’ny mpitandro filaminana. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola tonga teny amin’ny hopitaly ny fianakavian’ireo voatifitra. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Hita faty
Ankoatra ity vono olona ity, lehilahy iray nitondra bisikileta koa maty tsy tra-drano, omaly, rehefa avy voahitsaky ny kamiao tetsy Ampasika, hoy ny loharanom-baovao voaray.
Mpamily iray sy ny mpanampy azy koa maty nisy namono, ny alin’ny asabotsy teo, teny Ambohimangakely. Hita faty tao anaty fiarabe tsy lavitry ny tobin-tsolika eny an-toerana izy roa lahy. Nofatoran’ireo nahavanon-doza tamin’izany ny tongotra aman-tanan’ireo maty, hoy ny loharanom-baovao. Hatreto, tsy mbola voafaritra ny antony nahatonga ity vono olona ity. Tsy fantatra manarak’izay koa ny fomba namonoana ireto mpamily. Ankoatra izay, tsy nisy ny entana voaroba tao anatin’ilay fiarabe fa ireo vata-mangatsiaka ihany no hita tao. Taorian’io, noentina teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly etsy Ampefiloha ny nofo mangatsiakan’ireo mpamily. Nalain’ny havany tany an-toerana izany ary entina halevina any Ambositra. Aorian’izay vao hisokatra ny famotorana.
Henintsoa Hani