Nanafatrafatra . Napetraka amin’ny toerany, omaly, tetsy Anosy ny tonia mpampanoa ambony vaovao eo anivon’ny fitsarana tampony, Rakotomandimby Benjamin Alexis. Mazava ny nambarany. “Aoka mba ho fantatry ny vahoaka malagasy ary ny any amin’ny faritra ny asa ato amin’ny fitsarana. Mba tsy ny hafa no hitsara ny asanareo, ka isika mianakavy no handrafitra izany dieny izao”, hoy izy. Mba tsy ho dilan’ny volana febroary ny fanombohana an’izay asam-pitsarana izay.
Irian-dry zareo tompon’ andraikitra ambony ny hahazo fampitana an-tsoratra ny nataon’ny mpitsara amin’izany. Hijery koa izay hatao mandritra ny taona 2023 ireo mpitsara. Hararaotina amin’
izay fotoana izay ny handinihan’ny lehiben’ny fitsarana isan-tokony ny mpitsara rehetra amin’ny faritra iadidiana, hiaraha-mandinika ny mahasoa ny fitsarana, mandinika sy mijery ny hoavy. Iriny ny fitohizan’izany fanombohan’ny fitsarana izany mba hanaovana tatitra isam-bolana indray ny eo anivon’ny fitsarana.
Ny lehiben’ny fampanoavana no mahazo manao fanambarana
Ny lehiben’ny fampanoavana isan-tokony ihany no mahazo manao fanambarana momba ny asan’ny fitsarana, araka ny fandaminan’ny fitsarana. “Miangavy aho mba tsy hitenenako hoe baiko mba tsy hisy mpitsara hanao fanazavana ny asam-pitsarana, raha tsy mahazo alalana amin’ny lehibeny”, hoy izy ny amin’izany. Mba tsy hisy ny hiafinafina amin’ny hoe fiainana manokana izany. Mpitsara ny mpitsara any an-tokantrano, eny amin’ny sehatra misy azy… Mba tsy ato amin’ny fitsarana no ahitana hoe mpitsara mandry an-tatatra, ohatra.
Tsiahivina fa nanatrika izany ny filohan’ny Repoblika, sady filohan’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM), Rajoelina Andry.
R. Nd.