Hamafisina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Sina. Natao sonia, omaly, ny fifanarahana mahakasika ny hanapariahana ny vary safiotra eto amintsika.
Mifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny toe-tany eto Madagasikara ny vary safiotra. Efa voaporofo ara-teknika sady nisy andrana natao, niarahana tamin’ny sinoa teknisianina. Anisan’ny misehatra amin’ ny famokarana azy ny vondrona orinasa malagasy STOI, efa miasa any amin’ny faritra valo eto Madagasikara. Raha ny any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, ambony ny taham-bokatra, satria ahazoana vary 8 hatramin’ny 12 taonina isaky ny hekitara ny masomboly safiotra.
Nisy ny fifanaovan-tsonia, omaly, teo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, sy ny ambasadaoron’i Sina eto Madagasikara, Ji Ping. Nanatrika ny fotoana koa ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ratohiarijaona Suzelin. Tanjona amin’ity fiaraha-miasa ity ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, voafaritry ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Tafiditra ao anatin’izany ny hanitarana ny velaran-tany hambolem-bary sy ny fampiasana masomboly voafantina sy tsara kalitao, toy ny vary safiotra.
Laharam-pahamehana
Nanamafy ny masoivoho sinoa fa hiara-hiasa amin’i Madagasikara izy ireo, ka hatao laharam-pahamehana ny faritra sy ny toerana misehatra manokana amin’ny famokarana vary.
Efa nanomboka ny taona 2007 ny fiaraha-miasan’ ny firenena roa tonta mahakasika ny fampiasana ny vary safiotra. Eny Mahitsy ny toeram-pikarohana natao, niarahan’ny sinoa teknisiana manodidina ny 20 avy any amin’ny orinasa Yuan international, miara-miasa amin’ ny orinasa STOI. Notetezina ny toerana azo ambolena sady sahaza ny vary safiotra eto Madagasikara, ka efa misy koa ny famokarana masomboly any Ambatondrazaka sy Antsiranana, ny taona 2021.
Njaka Andriantefiarinesy