Mananjary: misy mangalatra ny vy ao amin’ny seranan-tsambo

Eo am-panavaozana ny fotodrafitrasan’ny orinasa IMI teo aloha ny Antokon-draharaha misahana ny seranan-tsambo an-dranomamy sy an-dranomasina (APMF) any amin’ny seranan-tsambon’i Mananjary. Misedra olana anefa, ankehitriny, satria misy mangalatra ny vy ao an-toerana.
Mitaraina, noho izany, ny orinasa sy ny tomponandraikitry ny seranan-tsambo, ary ireo Ampanjaka any Mananjary, ny hijeren’ny fitondram-panjakana mahefa ity raharaha halatra vy ity.
Araka ny loharanom-baovao ihany, tokony hotokanana ity fotodrafitrasan’ny orinasa IMI teo aloha ity. Mamoaka en­tana 100 000 t isan-taona amin’ izao fotoana, ary tokony hiakatra 1,2 tapitrisa taonina amin’ ny taona 2035. Hiteraka asa mivantana ho an’ny mpibata entana, manodidina ny 1 500. Manao vinavina ny Anto­kon-draharaha misahana ny seranan-tsambo an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF) ny hanamboatra sambo an-dranomamy maoderina. Satria mampitohy faritra maro ny lakandranon’i Pangalana, nefa tsy manara-penitra ny sambo izay narafitra tanana. Mano­didina ny 350 ny sambo mampiasa ity lakandrano ity.

Njaka A.

Partager sur: