Fahombiazana! Nahatratra hatrany amin’ny 54,384
miliara Ar ny vola azo tamin’ny alalan’ireo letisia 16 860,3 taonina naondran’i Madagasikara, ny taona 2023, araka ny tatitra navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tsara ny vokatra tamin’ny taon-dasa, izay namidy 3 225,6 Ar ny kilao, raha toa ka 2 905,9 Ar izany ny taona 2022, raha
2 845,2 Ar ny tamin’ny taona 2021. Niakatra ihany koa ny vokatra naondrana tamin’ny taon-dasa raha oharina ny tamin’ny taona 2022, izay 15 695,4 t saingy latsak’ireo letisia naondrana ny taona 2021 izay nahatratra hatrany amin’ny 17 135,2 t, hoy hatrany ny BFM. Na izany aza, noferana ho 1 300Ar/kg ny hakan’ny mpandraharaha ny letisia any amin’ ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana nandritra ny taom-piotazana, ny taona 2023. Vidim-bokatra izay nahitana fiakarana 100 Ar sy efa nifanarahan’ireo mpandraharaha sy kaoperativa ary mpisehatra samihafa, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra, ny talem-paritry ny varotra ao amin’ny faritra Atsinanana.
Tsiahivina fa tsara ny vokatra tamin’ny taon-dasa noho ny habetsaky ny orana tany amin’ny faritra Atsinanana. Ankoatra izay, anisan’ireo nandray ny letisia avy eto Madagasikara, nandritra ny taona 2023, i Eoropa, Dubai, Rosia, Mayotte ary ireo firenena maro. Fantatra fa miisa roa ny sambo nitatitra ny vokatra malagasy nihazo an’i Eoropa. Ankilany, natsangana ny “guichet unique” hanamorana ny fikarakarana ny atontan-taratsy ho an’ny fandraharahana ny vokatra ao amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Toerana handoavana ny hetra sy hahazoan-dalana handraharaha ny letisia.
Henintsoa H.