Manomboka mahazo aina ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Mahatratra 78 066 ireo mpizahatany tonga teto amintsika nandritra ny dimy volana voalohan’ny taona 2024. Niakatra io antontanisa io raha oharina ny tamin’ny dimy volana voalohan’ny taona 2023 izay 63 078. Na izany aza, mbola vitsy izany raha oharina ny tamin’ny taona 2019 izay tafakatra hatrany amin’ny 86 081 izay vanim-potoana nitarafana ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Nilaza ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa Tanana fa “miisa 20 178 ny mpizahatany nigadona teto amin’ny Nosy malagasy nandritra ny volana mey teo”. Notohizany fa 15 831 izany tamin’ny taon-dasa ary mbola ambany raha oharina amin’ireo antontanisa voaangona nandritra ny volana mey 2019, izay manodidina ny 21 011.
Mitaky ezaka
Mahavelombolo ireo antontanisa ireo ho an’ny Confédération du tourisme de Madagascar (CTM) saingy mitaky ezaka goavana. Tokony hampitomboina, hoy izy, ny fiaramanidina hahafahana mahatratra ny tanjona apetraka. Notsindriany manokana ny olan’ny tambajotra anatiny izay misedra tsy fahampiana fiaramanidina, indrindra amin’ izao ankatoky ny vanim-potoana mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany izao.
Henintsoa H.