Mifamatotra tanteraka ny kaoperativa sy ny taninketsa indostrialy izay mpamokatra voalohany ny akora manodina ny orinasa One district one factory (ODOF). Tanjona apetraky fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), ny hanatsara ny fiainan’ny tantsaha mikambana ao anatina kaoperativa. Laharam-pahamehan’ny fanjakana rahateo ny fanavaozana ny lalàn’ny famatsiam-bola sy ny lalàna mifehy ny kaoperativa, hoy
ny minisitra Razafindravahy Edgard, ny zoma teo, nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny kaoperativa (JIC 2024), teny Antaninarenina. Ankehitriny, miisa 8 ireo kaoperativa mitantana ny ODOF any amin’ny distrika maro. Nilaza kosa ny solontenan’ny tantsaha fa mila halalahana ny fahazoana izany. Ankoatra izay, tokony hitondrana fanazavana bebe kokoa ny lalàna mifehy ny famatsiam-bola sy ny kaoperativa. Tsiahivina fa lohahevitra nankalazana ny JIC tamin’ity taona ity ny hoe “ny orinasa kaoperativa manorina hoavy tsara kokoa ho an’ny rehetra”.
Henintsoa Hani