Ambohimirary: Cash point voatafika, lehilahy maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy tetsy Ambohimirary, afakomaly hariva. Voatifitra teo amin’ny kibony ny raim-pianakaviana mpanao Cash point. Voaroba ny vola tanaty sakaosy kely.

Nihorohoro tanteraka! Tsy nisy sahy nivoaka, nihaino sy nitazana ny fipoapoakin’ny basin’ ireo jiolahy roalahy nandroba ny raim-pianakaviana iray, tetsy Am­bohimirary, ireo olona manodidina, ny harivan’ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany. Narahin’ny jiolahy roalahy, tsy nahatsikaritra na inona na inona fa namonjy ny lalany mody toa ny isan’andro ilay rangahy. Tampoka, na­sain’ny jiolahy hanome ny kitapo nisy vola teny aminy izy. Nandà hanome izany ilay mpanao Cash-point. “Nifam­pi­tolona teo ambanin’ny jiro teo izy telo lahy”, hoy ny iray ta­min’ireo nanatri-maso. Niantso vonjy noho izany ilay nitondra ny sakaosy nisy vola. Namoaka basy avy hatrany ny iray tamin’ireo jiolahy ka vaky nitifitra. Vokany, voa teo amin’ny kibony ilay raim-pianakaviana. “Niezaka namikitra ilay kitapokely teny aminy izy saingy nosintonin’ireo roa lahy izany ka lasany”, araka ny fanamafisan’ny loharanom-baovao. Tetsy ankilany, nanokatra varavarana tsy nahy ny mpiambina iray teo amin’ny toerana tsy lavitra ny nitrangan’ny fandrobana. Noheverin’ireo jiolahy hanavotra ilay lasibatra. No­ti­firin’izy ireo tamin’ny basy koa io mpiambina io saingy tsy voa. Poa toa izay, nirifatra nandositra tamin’ny lalankely tsy lavitra teo ireo olon-dratsy.

Noezahina navotana ny ainy
Fotoana fohy taorian’ny fi­refotry ny basy, mpitandro filaminana iray sendra nividy za­vatra tsy lavitra teo no niezaka nanavotra ilay rangahy lasibatra. Nifarimbona nanampy azy ireo manodidina ka nitondra ilay naratra nihazo ny hopitaly. “Mbola niresaka izy tamin’io fotoana io”, hoy ny nambaran’ ny fianakaviany. Tonga tao amin’ny toeram-pitsaboana an­efa, tsy tana intsony ny ainy no­­ho ny fahaverezan-dra be lo­a­tra. “Naharay antso izahay io hariva io ihany”, hoy ny iray ta­min’ny havan’ny voaroba. Tsy fantatra mazava kosa ny vo­la lasan’ireo jiolahy araka ny fa­namafisan’ny olona akaiky azy.

Manahy ho “Opération Cash point”
Manahy amin’ny ho mety fi­siana “opération Cash-point” eny amin’ny manodidina ireo fianakavian’ny lasibatra. Minitra vitsy taorian’ny na­havoaroba ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity, nisy poa-basy koa tany Andraisoro. “Tsy fantatra izay norobain’ireo olon-dratsy tamin’io tranga iray io”, hoy izy ireo. Saika ma­nerana ny Renivohitra io fanafihana Cash point io ary ampolony ireo lasibatra ka nisy ireo manaraka hatramin’ny ai­na. Raha tsiahivina, vao roa he­­rinandro lasa, lavon’ny mpitandro filaminana ny jiolahy raindahiny nitam-piadiana teny amin’iny faritra manodidina an’Ampasampito iny. Marihi­na fa 41 taona ary namela kamboty mianadahy sy mananon-tena iray ity lasibatry ny fanafihan-jiolahy tetsy Ambohimi­ra­ry ny harivan’ny alatsinainy teo ity.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: