Vono olona : miaramila kaporaly migadra mandra-pahafatiny

Norarahana poizina ny sa­kafon’ny mpamily, ary novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina izy avy eo. No­te­te­hina sy nosarahana tamin’ny vatany ny tanany, vaky ny lohany ary mbola norarahana asidra ny vatany sy ny filahiany.
Niakatra fitsarana, ny alatsinainy teo, Rakotozafy Jus­tin Pritchard, miaramila kaporaly miasa ao amin’ny toby  Analakinina Hopitalibe, Toa­masina. Voarohirohy  nangalatra fiara Mazda ary namono nahafaty ny mpamilin’ ity fiara ity izy. Raha tsiahivina, nanao fifanarahana hanofa fiara iray tamin’ny tompona fiara “Mini bus Mazda gris” izy. Voalaza fa hitondrana razana ho any Mahanoro izany, ny 19 janoary teo. Nifanarahan’izy ireo tamin’izany fa hoentin’ny mpamily ny fiara. Tsy azo an-telefonina intsony anefa ny mpamily, ny 20 janoary, rehefa niantso azy ny tompon’ny fiara. Di­my andro taty aoriana, nisy nahita tany anaty ala tao
amin’ny fokontany Mora­ra­no, disitrika Lalangina, faritra Matsiatra Ambony ny fatin’io mpamily io. Tsy vitan’ny famonoana tsotra fotsiny fa notetehina sy nosarahana ta­min’ny vatan’ity mpamily ity ny tanany. Vaky ny lohany ary mbola norarahana asidra ny vatany sy filahiany. Tonga tany an-toerana nanao fizahana ny razana ny tompon’andraiki-panjakana. Nalain’ny fianakaviana sy ny fokonolona avy hatrany ny razana taorian’ny fizahana sy namantarana fa ilay mpamily tokoa io maty nisy namono io.

Natoky ody gasy
Fantatra ireo olona niray tsikombakomba tamin’ity vono olona sy fangalarana fiara ity. Rabano Célestin no niantoka ny ody gasy. Ramanandraibe Jacqueline sy Ramanampisoa Rolland Eric, nilaza fa manana havana maty any Mahanoro ka hanofa fiara. Randriamanantena Françis kosa no voalaza fa vonona hividy ilay fiara amin’ny vidiny 20 tapitrisa ariary. Naharitra adiny telo ny fitsarana ary voaheloka hiasa an-terivozona mandra-pahafatiny ilay miaramila kaporaly, tompon-kevitra tamin’ity raharaha ity. Marihina fa tsy tonga niatrika ny fitsarana ireo olona voarohirohy niaraka taminy. Efa namoahana didy fisamborana kosa izy ireo.

Sajo/ Mino (Mpianatra Asa)

Partager sur: