Manana ny mampiavaka azy ny fitaterana eto Madagasikara. Samy manana ny mahazatra azy kosa ny distrika tsirairay. Anisan’ny olan’ny fitaterana nasionaly sy ny any amin’ny faritra ny haratsian-dalana.
Mbola misedra olana goavana ny fitaterana eto Madagasikara. Anton’izany ny haratsian-dalana manerana ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy sy ny fahanteran’ny fiara. Miteraka fandaniam-potoana eny am-pandehanana izany zava-misy izany. Saika hita amin’ny zotra rehetra, indrindra any amin’ny zotra rejionaly izany.
Fitaovam-pitateran’ny Malagasy maro anisa ny fitaterana amin’ny taksiborosy. Miavaka io fitaterana io satria be mpandeha sy hifankahalalan’ny olona. Amin’ny ankapobeny, mety hampidi-doza ny mpandeha raha zahana ny toetry ny fiarakodia misy.
Miavaka io fitaterana io ary miankina amin’ny fahaizan’ny mpamily sy ny maha za-dalana azy ny mampilamina ny dia na tsia. Mifanosina ao avokoa na ny olona na ny entana. Fiara tena manakaiky vahoaka izy io, efa lasa mahazatra ny mpandeha ihany koa ny zava-misy rehetra iainana ao. Anisan’izany ny saran-dalana, ny saran’entana, ny isan’ny mpandeha, ny endriky ny fiara, ny haratsian-dalana, ny ataon’ny zandary na polisy sasany eny an-dalana… Efa mahazatra ny maro avokoa izany. Mandalo fizahana ara-teknika hatrany ireo fiara mikambana amin’ny kaoperativa ampolony maro.
Voalaza fa tsy ampy 20 % ny lalana vita tara (goudron) manerana ny Nosy. Tsy ampy fikojakojana kosa ireo lalana efa vita tara. Tsy azo handehanana ny ankamaroan’izy ireny indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra. Amin’ny ankapobeny, 50 km/ora ny hafainganam-pandehan’ny taksiborosy. Mihoatra hatrany ny isan’ny mpandeha, indrindra any ambanivohitra, raha misy fitaterana. Tsy mahataitra sy efa mahazatra ny mponina avokoa izany zava-misy izany.
Lalamby, FCE sisa mandeha moramora eo…
Ankoatra ny zotra sy ny fitaterana an-taksiborosy. Zara raha misy ny zotra anatiny amin’ny fiaramanidina. Tsy takatry ny maro ihany koa ny saran-dalana amin’izany. Tsy tena azo antoka loatra ny fitaterana an-dranomasina na rano mamy. Tantara sisa no ahafantaran’ny maro ny fiaran-dalamby. 836 km ny fitambaran’ireo zotra efatra eto amin’ny Nosy. 372 km ny Antananarivo-Toamasina (TCE). 142 km ny Moramanga-Lac Alaotra (MLA). 159 km kosa ny Antananarivo – Antsirabe (TA). 163 km ny Fianarantsoa – Manakara (FCE). Ankoatra izay, mbola misy fitaterana entana sy solika ihany ny eto Antananarivo mampitohy an’i Toamasina, saingy efa kely izany sisa. Ny zotra FCE, izay safidin’ny mpizahatany mba handehanana eto amin’ny Nosy. Ny zotra ambiny, tantara sisa amin’izao taon-jato izao. Marihina fa hatramin’ny fanjanahantany ireo lalamby eto amin’ny Nosy ireo. Tsy nisy fanampiny izany taty aoriana nandritra ny fitondrana nifandimby.
Tsy maintsy miampita …
Tsy maintsy sambo, botry, baka, lakana kosa ny fitateran’olona sasany eto amin’ny Nosy sy any amin’ny faritra sasany. Any Atsimo Andrefana, misy baka Fiavota saingy simba lava. Vokany, tsy misy intsony io Fiavota io nanomboka ny 2021. Hatramin’ny 2011, nampitohy an’i Anakao, Saint Augustin, Itampolo, Androimpano, Androka izy io. Hatramin’ny tsy nisian’ny fanampiana avy amin’ ny Vondrona eoropeanina (UE), tsy mitsahatra ny olana ara-bola sy ara-teknika.
Fitaterana iraisan’ ny maro
Voambolana iraisan’ny maro ny “taksiborosy”. Fitaterana itambaran’ny maro anisa indrindra eto Madagasikara izy io. Fitaovana izay ahafahana mandeha amin’ny toerana iray. Tafiditra ao anatin’izany ny “mini-bus”, mahavita mandeha amin’ny toerana lavidavitra na tanàn-dehibe sy renivohi-paritany. Ahitana karazana fiara maro amin’io. Anisan’izany, ny sprinter mercedes, starex… Mbola ahitana 4×4, hatramin’ny 404 bâchée ihany koa, izay tena miasa any ambanivohitra. Fitateran’olona kosa ny moto sy ny bisikileta eto an-dRenivohitra sy any ambanivohitra. Fitaovana misy milina azo itondrana olona sy entana izy io. Samy manana ny saran-dalany ireo, arakaraka ny toerana alehan’ny mpandeha. Mandeha an-tongotra izay tsy misy lalan’ny fiara.
Zara raha misy ny fitaterana anatiny, ana habakabaka
Amin’ny ankapobeny, natao ho an’ny olona mamonjy fotoana sy tsy te hisahirana, ho an’ny mpizahatany mamonjy ireo toerana malaza izy ireny. Talohan’ny taona 2010, efa vitsy ny seranam-piaramanidina manara-penitra manerana ny Nosy. Zotra iraisam-pirenena sy nahitana seranana voalohany indrindra ny tetsy Ivato Antananarivo. Anisan’ny mandray fiaramanidina avy any Paris , Maurice, La Réunion, Mayotte, Comores izy io. Misy kosa ny zotra mivantana avy any ivelany mandray mpizahatany (Nosy-be). Air France, Air Austral, Air Mauritius, South African Airlink, Kenya Airways no tena mampitohy ny zotra misy. Madagascar Airlines sa Air Madagascar? Tsy fantatra izay tena marina.
Nanatontosa :
R. Mathieu