Razana sy fitahiana : amina miliara ny fanaovam-pasana ho an’ny mpanan-karena

Miditra anatin’ny vanim-potoan’ny famadihan-drazana ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Misy ny manokatra ny fasan-drazana fotsiny, misy ny manangana fasam-bao amina miliara.

Manomboka ny volana jolay, miditra amin’ny vanim-potoana hanaovana famonosan-damba ny razana ny Malagasy, indrindra ny ampovoan-tany. Famadihana, ba­pam­pa, tsaboraha, sns. Samy manana ny fiantsoany azy ny isam-paritra. Ny itovizany dia ilay fanomezan-kasina ny razambe, loharano nipoirana. Samy manana ny fomba amam-panaony ny tsirairay sy ny isam-pianakaviana ary ny foko na ny faritra niaviana. Misy ny mamoaka sy manafy ny razana, misy ny mampiakatra izany ambohitra arahina “vary be menaka” sy ny dihy ary ny mozika.
Mandany volabe an-tapitrisa ny fianakaviana vao afaka manao famadihana. Ankoatra ny lambamena izay tsy misy latsaky ny 100 000 Ar ny kalitao tsara, mbola hafa mihitsy ny teti-bola amin’ny famahanana ny olona sy ny karaman’ ny mpanakanto na mpitsoka mozika hanafana ny lanonana. 300 000 Ariary ny saran’ny fakana mpitsoka mozika tsotra. Raha maka mpanakanto izany dia tafakatra ampolony tapitrisa Ariary. Mahatratra 2 000 000 Ar ny vidin’ny omby vositra iray amin’izao fotoana izao. Toraka izany ihany koa ny vidin’ny kisoa iray matavy, manodidina ny 900 000 Ariary ny kisoa iray ny mihoatra tsy ferana, arakaraka ny habeny. Ny vary iray gony 50 kg dia efa tafakatra 120 000 Ariary raha mora indrindra. Manginy fotsiny ny toaka izay mahafety ny fety.

Amina miliara
Tafakatra amina miliara anefa ny fandaniana ho an’ny mpanan-karena, indrindra ireo manao fasam-bao. Faritra iray miavaka amin’ny fandaniana goavana amin’izany ny ao amin’ny Faritan’i Fianaran­tsoa. Nampiaiky volana ny maro, indrindra ireo mpanaraka ny tambajotran-tserasera ilay fasana, nandaniana 5 miliara mahery tany Imady, ny taona 2022, izay vao nahatapitra ny vanim-potoan’ny COVID 19. Mbola vao aingana kosa, ny zoma lasa teo no notokanana tany Ranomafana ny fasana anisan’ny lehibe indrindra eto Madagasikara. Nandany vola be mihoatra ny 300 tapitrisa Ariary ny solombavambahoaka, voafidy tao Ifanadiana, Manantena Hajanirina Dinah.
Nampametram-panontaniana ny mpanara-baovao ny mahakasika ny volabe nolaniany, ka nahatonga ny fanadihadian’ny gazety. Mifono zava-dalina, mifandraika amin’ny fitiavam-bady, ho fankasitrahana ny anabaviny izay efa namoy ny ainy, ary indrindra ho fanomezan-kasina ny reniny izay nangataka taminy izany no nahatonga azy nanatratra io tanjona iray io.
“Anisan’ny tsy nankasitraka ahy hanao politika ny reniko izay nangataka tamiko ny mba hananganako fasana iraisanay mianakavy, rahatrizay. Avy amin’ny tanàna tsy ma­nai­ky hilevenam-binanto aho no nahatonga izany. Nanahy izy fa tsy ho vitako ny fasan-dra­zana raha variana amin’ny politika aho, ka izay no nahatonga ahy nanao fa­namby tahaka izao”, hoy ity depiote ity nanazava. “Ankoa­tra izay, olo­na hany tsy nanary ahy tamin’ny ady rehetra na­t­ao ny vadiko raha nanana ola­na aho. Anisan’ny antony nampirisika ahy ihany koa izany hanamboatra fasana ho anay”, hoy hatrany izy nanazava izao fampiasam-bola go­a­vana be izao. “Farany, ho fis­a­o­rako ny anabaviko izay efa lasan-korazana. Izy no hany nanaiky ahy hanao politika sy nampirisika ahy. Indrisy tsy afaka ny nahita ahy voafidy ho solombavambahoaka izy. Ra­r­i­ny raha homem-boninahitra sy handry am-pilaminana amin’ ny toerana sahaza azy izy”, hoy hatrany ity olom-boafidy ity.

Lanonam-panjakana miavaka

Mialoha ny fotoam-pitokanana ity fasana ity, nisantatra ny fametrahana ny samboady ho an’ireo solombavambahoaka, voafidy ny 29 mey lasa teo ny tao Ifanadiana. Nitarika ny lanonana tamin’ny alakamisy faha-18 ny volana jolay ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Fomendraza Haingo Elisette. Nambaran’ireo izay nandaha-teny rehetra fa zava-dehibe ho amin’ny ho avy politikan’i Madagasikara ny nahatafapetraka ny mpikambana amin’ny Antenimierampirenena.

Nanome toky ny vahoakan’Ifanadiana, tamin’ny nametrahan’izy ireo ny fitokisana aminy kosa ny depiote Dinah, izay fiantso mahazatra azy eny anivon’ny fiarahamonina. Ity Farany izay nilaza fa: “Tena anisan’ny ady mafy indrindra nantrehiny tamin’ny fiainana ny resaka fifidianana solombavambahoaka ity. Tsy vitan’ny ady tamin’ny samy kandidà fa mbola nafenina ny reniko. Voatery nafindra monina tany Antsirabe mihitsy izy. Nafenina azy ny fampielezan-kevitra. Nofehezina ny fampahalalam-baovao hahitany taratra ny filatsahako nofidiana. Niandry ny vokatra navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana vao nilazana izy. Tena notampohina izy tamin’ny fahalaniako sy ny fahavitan’ilay fasam-bao nanafatrafarany ahy”, hoy ity depiote nijoro vavolombelona. Nambarany fa manan-kasina ny fanajana ny fomba amam-panao malagasy sy ny fanajana ny loharano nipoirana raha tiana ny ho tafita amin’ny fiainana.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: