Mitady hanakaiky ny “Mitombina fa tsy azo raisina” teo aloha ihany? Novalian’ny HCC, omaly, ny momba ny fangatahana hevitra, niainga amin’ny fitorian’ireo depiote napetraky ny Filankevitra ambony ho an’ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDDED). “Tsy azo raisina izany”, hoy ny avy etsy Ambohidahy, namaly ny avy eny Soanierana. Nasongadin’ireo mpitsara avo tamin’izany ary notsiahivin’izy ireo ny andinin-dalàna samihafa maneho ny tsy maha azo raisina ny fangataham-panazavana. Anisan’izany ny tsy maha andrimpanjakana ny eo anivon’ny HCDDED fa rafitra fotsiny ihany, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. Hany afaka mametraka fitoriana na mangataka fanazavana eo anivon’ny HCC ny Andrimpanjakana, toy ny filohan’ny Repoblika sy ny governemanta. Ny eo anivon’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ary ny HCC. Tahaka izany koa ny eny anivon’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Anisan’izany ny kaominina sy ny faritra ary ny faritany. “Rafitra tsotra fotsiny ary tsy mahafeno ny fepetra maha Andrimpanjakana azy ny HCDDED”, hoy ihany ny eo anivon’ny HCC.
Fitsabahan’ny filohan’ny Repoblika…
Mazava izany izao ny valin’ny fangatahana hevitra nataon’ny HCDDED tamin’ny HCC, niainga avy amin’ny fanambaran’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fangatahana izany ny fahitan’izy ireo ny fitsabahan’ny filohan’ny Repoblika amin’ny raharaha anatin’ny Antenimierampirenena. Eo koa ny lanja araka ny lalàmpanorenana ny fanambaran’ny mpikambana eo anivon’ny birao maharitra eny Tsimbazaza, araka ny datin’ny 8 desambra teo.
Tsiahivina fa tafapetraka ny 7 desambra, teny Tsimbazaza ny taratasy voasonian’ireo depiote maherin’ny 100 nangatahana ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Tsy tanteraka anefa izany raha ny fanambaran’ny eo anivon’ny Antenimiera ny 8 desambra teo. Nanamafy hatrany ireo depiote fa nisehoana tsindry ara-politika ny tsy nafahana niroso tamin’ny fitsipahamna ny governemanta.
Synèse R.
Anisan’ireo depiote nandefa ny fitoriana, ary nangatahan’ ny HCDDED hevitra amin’ny HCC ny avy amin’ny Tim. Anisan’izany ny Me Razafimanantsoa Hanitra, Razara Pierre Fidele, Rakotomanjato Rodin, , Ralambomanana Fenohenintsoa, Rabekijana, Ramboasalama Emilien, Andriamampandry Todisoa, Rabenirina Maminiaina, Randrianarisoa Stanislas, Randriambolaina Gerry, Ralambozafimbololona Razafitsimialona, Ratsimbazafy Alain. Eo koa ny avy amin’ny tsy miankina, ny depiote Raharisoa Johasy Eleonore, sy i Voninahitry Jean Eugene ary ny eo anivon’ny MMM, ny depiote Fienena Richard