Fizahantany: sehatrasa afaka mampandroso firenena

Anisan’ireo mitana anjara toerana amin’ny fampi­roboroboana ny sehatry ny toekarena ny fizahantany ho an’i Mada­gasikara mano­kana. Maro ny vo­ka­tsoa na dia eo aza ny voka-dratsy entiny.

Mitana anjara andraikitra lehibe eo amin’ny fiainam-pirenena iray ny fizahantany. Sehatrasa afaka mampiarina ny fiainam-bahoaka, mitondra fampandrosoana eo amin’ny firenena, indrindra eo amin’ny toerana iaingany. Ho an’i Madagasi­kara manokana, mpizahatany 1 000 000 no tanjona. Mbola maro anefa ny ezaka ataon’ny mpisehatra rehetra na ny fanjakana, na ny tsy miankina, hanatrarana izany. Mbola mpizahatany manodidina ny 400 000 no zakan’ny fotodrafitrasa misy eto an-toerana. Anisan’ny mamaritra voalo­hany izany isa izany ny trano fandraisam-bahiny. Araka izany, mila efitrano fandraisam-bahiny 24 000 fanampiny isika raha te hanatratra io tanjona 1 000 000 mpizahatany io. « Ny sehatra tsy miankina no tena mampiroborobo sy miandraikitra mivantana ny sehatry ny fizahantany fa miezaka manamora sy mandri­sika azy ireo, amin’izany fampiroboroboana izany, no an­draikitry ny fanjakana », hoy ny minisitra tomponandraikitra.

Efa misy ny ezaka ataon’ny mpisehatra rehetra

Tsy mipetra-potsiny ny fan­jakana sy ny sehatra rehetra miandraikitra ny fizahantany manoloana izany. Misy ny ezaka amin’ny fampitomboana ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka, fampitomboana ireo trano fandraisam-bahiny manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ankoatra izay, misy ny fidiran’i Madaga­sikara ao anatin’ny fikambanana « Iles Vanilles », fikambanana ivondronan’ireo nosy aty amin’ny ranomasimbe In­dianina. Tanjona iraisana ao anatin’ny fikambanana ny hampahafantatra ireo nosy tsirairay avy. Efa maro ny ezaka ankehitriny hampiroboro­boana ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Mifo­totra amin’ny sahanasa telo ny asa ataon’ny minisitera ankehitriny. Fampiroboro­boana ny sehatry ny fandraharahana sy ny fampiroboroboana ny toerana afaka tsidihina ary fana­tsarana ny tontolon’ny fizahantany. Sahanasa laharam-pahamehana voalohany ny fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana. Natao lohalaharana ny Mala­gasy mpandrahara ao anatin’ izany. Avy eo vao ny mpandraharaha vahiny ary farany ny hitarihina ireo mpandraharaha ireo. Sahanasa laharam-pahamehana faharoa ny fampiroboroboana sy fampitomboana ireo toerana azo tsidihina. Hoen­tina manatanteraka izany, ilaina ny drafitra napetraky ny fanjakana.

Voalohany amin’izany ny fanamafisana ny tsena anatiny, izany hoe, izay efa nisy teo aloha no hatsaraina sy hampiroboroboina. Manaraka izany, ny fisokafana amin’ny tsena vaovao, izany hoe, miezaka mitady lalam-barotra vaovao hampitomboana ireo efa nisy teo aloha. Raha tratra izany rehetra izany vao miditra amin’ ny fampahafantarana an’i Madagasikara amin’ireo tsena lehibe iraisam-pirenena. Saha­nasa fahatelo, tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehana ny fanatsarana ny tontolon’ny fizahantany eto an-toerana. Voalohany indrindra amin’ izany ny fampiofanana ireo mpandraharaha rehetra eo amin’ity sehatra ity. Anisan’ izany ny trano fandraisam-bahiny sy ny mpiseradia. Ma­nampy izany ny fametrahana kalitao tsara ho an’ny mpiseradia sy ny fanamoran’ny fanjakana ny fidirana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Farany, ny fanatsarana ny « Code de tourisme », izy ity izay efa ela ka tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny intsony. Anisan’ny fanatsarana entina ao anatin’izany koa ny fametrahana fitsipika hentitra ho an’ny mpisehatra rehetra ary ny fanomezana vahana ny mpandraharaha.

Sehatra marefo

Ny tsy fahatomombanan’ ny sehatra rehetra dia mety hanimba ny fizahantany. Po­rofon’izany ny valanaretina nahazo izao tontolo izao ka nanimba ny fizahantany isaka ny firenena nandalovany. Ani­san’ny manimba ny fizahan­tany ihany koa ny krizy politika, ny tsy fandriampahalemana. Malaina ny mpizahatany hitsidika toerana iray noho ny fisian’ ireo tsy fahatomombanana ireo. Ankoatra izay, mam­pi­hena ny fizahantany ihany koa ny fahasimbana sy ny fa­hara­tsian’ny lalàna sy ny fotodra­fitrasa, izay tsy fahafahan’ny mpizahatany mivezivezy.

Anisan’ny vanim-potoana mampiroborobo ny fizahantany izao fialantsasatra izao, indrindra ny fizahantany ana­tiny. Manan-karena toerana manan-tantara sy mahafina­ritra, voajanahary, tokoa raha i Madagasikara. Saika ahitana izany avokoa ny faritra rehetra ka manome fahafaha-misafidy ny mpiala sasatra sy ny mpizahatany.

Nanatontosa : Lin

Partager sur: