Anisan’ny tetikasa iray nampitombo ny lentam-pahaizan’ny zaza malagasy ny vakiteny sy ny kajy ny tetikasa «Tafita Jica». Nanampy betsaka izany ny fisian’ny ora fanarenana ivelan’ny fianarana.
Niroso tamin’ny dinika voalohany mahakasika ny tetikasa « Tafita Jica phase III » ny avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (Men) sy ny Jica, omaly. Tonga nanatrika izany ireo tomponandraikitra avy amin’ny Dren 13 manerana ny Nosy, izay hiasan’ny tetikasa. Notanterahina tetsy amin’ny INFP Mahamasina ny fihaonana ho azy ireo. Tanjona ny hanatsarana ny sehatry ny fanabeazana sy ny lentam-pahaizan’ny zaza malagasy eto Madagasikara. Niompanan’ny tetikasa ny fanatsarana ny fahaizan’ny ankizy ny taranja vakiteny sy kajy. “Fametrahana tantsoroka eny anivon’ny sekoly ambarotonga fototra ny tetikasa. Ora fanarenana ahazoana fahaizana bebe kokoa mahakasika ny kajy sy ny famakiana teny ihany koa izy io. Nampitombo ny fiaraha-miasa sy ny faritra ipetrahan’ny tetikasa manerana an’i Madagasikara », hoy kosa ny solontenan’ny Jica eto Madagasikara, Tanaka Kaori. Nambarany fa nahafaly ny fiaraha-miasa satria nahazoana vokatra sy tombontsoa tsara teo amin’ny sehatry ny fanabeazana. “Nitondra vokatra tsara teo amin’ireo mpianatra ny fisian’ny tetikasa Tafita Jica, iaraha-miasa amin’ny Jica”, hoy Ranosy Eliane, Directeur général en charge des établissements scolaires eo anivon’ny Men, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana. Hita fa tena nanampy betsaka ny mpanabe ny fomba fampitana fahaizana ho an’ny ankizy izay entin’ity tetikasa Tafita ity, raha ny fanazavana hatrany. Mora kokoa ny fandraisan’ny ankizy ny kajy sy ny vakiteny noho ny fomba fiasa entin’ny Jica eny anivon’ny sekoly. Anisan’ny nampitombo ny lentam-pahaizana mahakasiky ireo taranja ireo, ny tetikasa Tafita Jica, raha ho an’ny Dren Amoron’i Mania manokana. “Tsapa ho nitombo 30 isa ny fahaizan’ny ankizy eo amin’ny resaka kajy sy famakiana teny raha ampitahaina amin’ireo faritra tsy misy ny tetikasa”, hoy ny Talem-paritry ny Dren Amoron’i Mania, Tsiriniaina Cinna. Nilaza ny teo anivon’ny Men fa fototry ny fampianarana ny fahaizana kajy sy mamaky teny. Voafehiny avokoa ny taranja rehetra rehefa mahafehy izany izy ireo ka antony iray nampifantoka ny minisitera sy ny Jica tamin’izany, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Fampitomboana ny ora fanarenana
Nitondrana teknika vaovao ny an’ireo mpampianatra teo am-panaovana ny ora fanarenana. Tany am-piandohan’ny tetikasa, nampanaovina andrana avokoa ny mpianatra tsirairay. Nosakajiana dimy ireo ankizy isaky ny vaky teny sy ny kajy. Raha ho an’ny vaky teny manokana, nisy teny nasaina novakian’ny ankizy. Misy litera 10 ao anatin’ny “carreaux”, mbola voasokajy ho tsy nahay namaky teny ny zaza raha toa ka tsy nahay ny dimy tamin’izany. Ampianarina izy avy eo ary haverina indray ny andrana fanindroany. Tafakatra ao anatin’ny sokajy fahatelo izy raha mahay ny litera dimy.
Teknika iray nentina tamin’ity tetikasa ity ny fomba fampitana ny fahalalana any amin’ny zaza. Atao amin’ny ora ivelan’ny fianarana ihany koa ny fampianarana azy ireo. Mba hampiakatra ny lentan’ny fahaizan’ny zaza. Misy ny “évaluation” atao isan-taona hijerena ny fahaizan’ny ankizy. Ankizy T1 hatramin’ny T5 no tena vondron’olona tiliana amin’ny tetikasa. Ahitana fiakarany ny fari-pahaizan’ny mpianatra rehefa mifarana ny taom-pianarana sy ny fanadinana.
Nitombo ny fampidirana mpianatra
Nitombo hatramin’ny 2-7 % ny tahan’ny fampidirana mpianatra, ao amin’ny Dren Amoron’i Mania tamin’ny taom-pianarana 2023-2024, raha ny fanazavan’ny Talem-paritra any an-toerana. Maro tamin’ireo ray aman-dreny no nanapa-kevitra nanajanona ny zanany tamin’ny fianarany rehefa vita ny telo volana voalohany, raha ny zava-misy teo aloha. Nisy ny ezaka nataon’ny tomponandraikitra amin’ny fampidirana mpianatra. Toy ny fanentanana ireo ray aman-dreny…Ahitana fari-piadidiam-pampianarana efatra ao anatin’ ny Dren Amoron’i Mania. Anisan’izany, ny any Ambositra, Manandriana, Ambatofinandrahana, Fandriana. Somary sahirana sy mbola latsaka ny fari-pahaizana any amin’ny fari-piadidiana eny amin’ny faritra mena. Toy ny any Manandriana sy Ambatofinandrahana. Antony iray mahatonga izany ny olana ara-bola eo amin’ny ray aman-dreny, ny tsy faharesen-dahatra hianatra noho ny tsy fahafantarana ny tena ilana ny fianarana, eo koa ny lafiny tsy fandriampahalemana…raha ny zava-misy teo aloha. Nitondra fanavaozana goavana ny tetikasa Tafita na dia izany aza.
Maro ny lesoka tsy hahaizan’ny zaza
Lesoka voalohany indrindra tsy mampahay ny mpianatra ny tsy fahaizan’ny mpampianatra mampita fahaizana. Mbola betsaka ny mpampianatra tsy nahazo fiofanana hampianatra eto Madagasikara. Eo koa ny tsy fanohizan’ny ankizy fianarana hatramin’ny farany noho ny antony avy amin’ny ray aman-dreny. Ezaka atao ny famerenana ireny ankizy ireny an-tsekoly sy ny fanamafisana ny fahaizany, hahatratrarany sy hanohizany ny fianarana. Nahatsara ny vokatra izany rehetra izany satria nahafan’ireo ankizy nameno ny banga teo amin’ny lafiny fahaizana.
Nanatontosa : Mino