Anisan’ny olana goavana eto an-dRenivohitra ny fitaterana. Azo lazaina fa sakana iray ho an’ny fampandrosoana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo sy ny manodidina. Mihatery ny tanàna noho ny fitomboan’ny mponina sy fihitarany, na misy aza ny fanitarana, toy ny lalana eny By-pass.
Iainana isan’andro, saingy toa tsy mahataitra ny maro intsony ny fitohanana na aiza na aiza aleha eto Antananarivo. Fotoana tena hitrangan’izany, ny aloha sy aorian’ny ora fidirana miasa. Araka ny fanadihadiana natao’ ny ONG vahiny iray, very ora roa mahery kely isan’andro ny olona iray amin’ireo asa fihariany eto Antananarivo vokatry ny fitohanan’ny fiara. Hita amin’ ny mpamily taxi-be sy ireo olona hoentiny izany, samy manana ny asany. Mihena ny asa vita na ora tokony mbola hiasana. Raha tokony hiala any an-trano amin’ny 7 ora, ohatra, voatery miala amin’ny 6 ora. Very ny ora iray tokony mbola hahavitan-javatra hafa any an-trano. Na tonga ara-potoana ao am-piasana aza, mihena ny fihariana vita. Ho an’ny olona miasa tena, mihena ho azy ny ora fiasana miampy fahatapahan’ny herinaratra matetika avy amin’ny Jirama. Lasa ora enina izany raha tokony hahavitana ora valo isan’andro.
Ho an’ny mpandrindra ny fifamoivoizana, raha olona roa no tokony hiasa amin’ny toerana iray, lasa olona efatra na enina izany. Fatiantoka ho an’ny fanjakana izany, isika rahateo tsy manana jiro (mena, maitso, mavo) mandrindra ny fifamoivoizana intsony. Ankoatra izay, mihena ny isan’ny olona tokony voavonjin’ny mpitsabo eny amin’ny toeram-pitsaboana, vokatry ny fitohanana. Na omen-dalana aza ny mpamonjy voina, mihena ny fotoana hanaovana vonjy taitra noho ny fahasarotan’ny fifamoivoizana.
Fehiny, very fotoana maro eo amin’ny asa fihariana ny olona iray eto Antananarivo. Voakasik’izany avokoa ny eo amin’ny tontolon’ny asam-panjakana, ny tsy miankina, ny miasa tena…
Tsy hita ny fikojakojana ara-potoana ny lalana
Araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena, anisan’ny ratsy lalana indrindra maneran-tany ny eto Madagasikara. Ahitana izany faharatsian-dalana izany avokoa ny an-tanàn-dehibe sy ny lalam-pirenena. Na mponina eto an-dRenivohitra aza tsy misitraka lalana tsara. 11,4 % monja ihany no misitraka
lalana azo ampiasana eto an-toerana.
Noho ny fitomboan’ny mponina
Antony iray mahatonga ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo ny fitomboan’ny mponina be loatra tato anatin’ny 20 taona farany. Voalaza fa manodidina ny 2 tapitrisa ny mponina, ankehitriny. Fanampin’izay, tsy mifanaraka amin’io fitomboan’ny mponina io ny drafitry ny tanàna sy ny lalana. Tsy misy fanavaozana na fanitarana, nandritra ny taona maro. Tsy ampy ny lalam-baovao eto Antananarivo ary simba izay rehetra efa misy, nefa ny firakodia mitombo isa isan’andro. Olana iray koa ny fahamaroan’ny kodiaran-droa sy ny mpivarotra amoron-dalana. Tsy misy lalan-kaleha
intsony ny mpandeha an-tongotra satria miakatra an-tsisin-dalana avokoa ny ankamaroan’ny kodiaran-droa. Ankoatra izay, betsaka ny fiara tsy ampy fikojakojana sy efa antitra, indrindra ho an’ireo fiara fitateram-bahoaka.
Fatiantoka goavana
Ankoatra ny fatiantoka ara-toekarena, fotoana lany, asa tsy ampy, fiara simba, fandaniana solika… noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo, eo koa ny lafiny ara-pahasalamana. Maloto ny rivotra ary miteraka aretina marobe ho an’ny mponina indrindra ny zaza sy ny marefo izany. Noho ny rivotra maloto ateraky ny fiara ny 86,40 % ny aretina mahazo ny tratra, araka ny fanadihadiana ara-pahasalamana teto Antananarivo tamin’ny roa taona lasa. Fantatra tamin’izany koa fa simban’ny setroka fiarakodia avokoa ny tontolo iainana.
Nanatontosa :
R. Mathieu