Hentitra ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard, momba ny fisian’ireo mikasa hanakorontana eto amin’ny firenena. Eo anilan’ny filoham-pirenena hatrany ny Foloalindahy…
“Isika Foloalindahy malagasy dia mandray fepetra mialoha mba hisorohana ny krizy mety hitranga satria tandroka aron’ny vozona ary natao hiaro ny fiandrianam-pirenena. Vaindohan-draharaha ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany hahafahan’izy ireo miaina am-pitoniana, araka ny velirano voalohany ny Filoham-pirenena izay mametraka ho laharam-pahamehana ny fandriampahalemana”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, teny amin’ny Bataillon Parachutiste Ivato, omaly, nandritra ny lanonana fanomezana ny fanevan’ireo manamboninahitra jeneraly ho an’ny taona 2021. Nohamafisiny fa ny Foloalindahy dia mandray ny andraikiny ary mijoro eo anilan’ny vahoaka Malagasy, araka ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena. Mijoro manoloana ny ambana mety atrehan’izy ireo. Nohitsiany manokana fa ny asa atao rehetra dia atao anatin’ny fanajana ny lalam-panorenana. Manoloana ny mety finiavana hampisavorovoro ny firenena. Nanambara ny Foloalindahy fa mijoro hiaro ny lalam-panorenena, mijoro miaro ny safidim-bahoaka sy ny filohan’ny Repoblika, satria voafidin’ny vahoaka malagasy izy, araka ny nambarany. “Mijoro aorian’ny lehibe faratampon’ny Foloalindahy izahay. Efa miroso amin’ny fandrosoana i Madagasikara ka tsy ekena ny fanakorontanana na avy aiza na avy aiza. Handray ny andraikiny feno ny Foloalindahy ka tsy handefitra raha misy minia manohintohina ny fiandrianam-pirenena sy ny filaminana anatiny”, hoy izy. Nanome toky ny Filoha Rajoelina, ity manamboninahitra ambony , fa ny Foloalindahy malagasy dia andry iankinana sy azo ianteherana eo amin’ny fiarovana ny asa fampandrosoana sy ny filaminana eto Madagasikara.
Mila fitoniana ny vahoaka…
Niatrika izany lanonana izany ny filoha Rajoelina Andry. Hentitra ny lahateniny sy ny hafany tamin’izany. “Miandrandra ny Foloalindahy hatrany ny tenako mba ho tandroka aron’ny vozona. Hiaro ny vahoaka sy ny tanidrazana ary ny fiandrianam- pirenena ianareo… Tsy mendrika korontana ny vahoaka. Mila fitoniana isika…”, hoy izy. Nampahery ireo vao nahazo ny galonan’ny jeneraly, nahazo ny laharam-bonihaitra ambony ny tenany ary nanafatra azy ireo mba hanao ny tsara ho an’ny firenena sy ny tanindrazana.
Notsiahiviny fa natao hametraka ny fitoniana ny mpitandro filaminana rehetra. Fefiloha manakana ireo mikasa hihoa-pefy ianareo. Manda miaro ireo ambana rehetra avy any ivelany sy ato anatiny, araka ny nambarany. “Manana adidy sy andraikitra nefa koa mitaky ho maodely sy ho fitaratra koa ao anaty fahitsiana sy fahendrena mba ho antoky ny famdnriampahalemana maharitra ianareo…”, hoy ihany izy. Nohitsiny fa natao ho mpitarika sy hijro ary tsy hanaiky ny fanakorontanana ny Foloalindahy.
Nanteriny fa efa betsaka ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana hanavotana ny firenena, tamin’ny namolavolana ny Planina enti-mampandroso (PEM). Anisan’izany ny fanorenana fotodrafitrasa eo amin’ny fahasalamana sy ny fanabeazana ary ny toekarena, manerana ny Nosy. Tsy latsa-danja amin’izany ny polisy sy ny zandary ary ny miaramila. Samy misitraka fotodrafitrasa sy fampitaovana avokoa.
Angidimby vaovao
Natsidiny tamin’izany ny angidimby vaovao, ho tonga afaka herinandro vitsy. Vao nivoaka ny ozinina atsy Afrika Atsimo izany ary natao hitandroana ny filaminana sy hanaovana vonjy taitra ho an’ireo tradoza ary koa hitondrana mpiasam-panjakana ambony hamita iraka any amin’ny faritra saro-dalana. “Mendrika fitaovana vaovao ny Foloalindahy raha efa taona maro tsy mba nahazo helikoptera vaovao… “, hoy izy. Nambarany, betsaka ny vitan’ny fitondrana. Niaiky ny tenany fa mbola misy ny tsy vita sy ny lesoka, ilana fanarenana. Tsy tokony hikely soroka ny rehetra. Miantso fiaraha-mientana izy.
Jean Claude sy Synèse R.