Lalam-piofanana elektronika : Sakana ho an’ny mpianatra ny tsy fahafahana mividy fitaovana

Misedra olana maro ny mpianatra eny anivon’ny Oniversitem-panjakana polytechnique vontovorona eo amin’ny lalam-piofanana elektronika, noho ny tsy fahampian’ny fitaovana samihafa ilaina
amin’ny fanaovana fikarohana. Eo koa ny tsy fananana laboratoara manaraka ny fenitra sy ny vanim-potoana.

Anisan’ny olana sedrain’
ireo mpianatra manaraka ny lalam-piofanana elektronika, eny amin’ny Oni­versitem-panjakana polytechnique Vontovorona, ny tsy fananana fahafahana mividy fitaovana, toy ny kojakoja, ary ny tsy fahampian’ny labora­toira hanaovana ny fikarohana, raha ny fanadihadiana natao. Antony iray mampananosarotra ny fanaovana fikarohana izany rehetra izany, raha ny fanazavan’ireo mpianatra. Nambaran’izy ireo fa tena iankinan’ny fianarana ratovin’izy ireo eny amin’ny Anjerimanon­tolo izany rehetra izany. “Tena olan’ny ankizy manaraka ny lalam-piofanana ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny laboratoira hanaovana izany”, hoy Rafanomezantsoa Pierrot, mpiandraikitra ny ankizy manao tetikasa. Nambarany fa efa somary tranainy avokoa izany ho an’ny eto Mada­ga­si­kara. Ankoatra izay, lafo loatra sy tsy takatry ny ankamaroan’ny mpianatra ny vidin’ireo fitoavana ireo. “Hafarana avy any ivelany ny ankamaroan’ireo fitaovana hanaovana fikarohana ampiasaina. Maro, araka izany, ny mpianatra tsy mahavita hatramin’ny farany ny fikarohana ataony noho izay antony izay”, hoy kosa Randriambololo­nirina Kanto. Nohamafisin’izy ireo hatrany fa ny vatsim-pianarana azon’izy ireo no ha­naovana sy hividianana ireo fitaovana entina manao fikarohana ireo.
Mampandroso ny firenena

Miompana amin’ny elektronika avokoa ny zavatra rehetra misy amin’izao fotoana izao. “Raha misy fivoarana io tontolo iray io eto amin’ny Nosy dia mety ho lasa firenena matanjaka i Madagasikara”, hoy hatrany izy ireo. Nambaran’ireo mpi­anatra fa antoka iray mampandroso ny firenena ny fanomezan-danja io lalam-piofanana io. Ankoatra izay, ahafahana mikaro-java-baovao hatrany sy hahazahoana fahalalana vaovao ihany koa. Zava-dehibe sy tena ilain’ny firenena ny fananana manam-pahaizana maro mivoaka eny amin’ny Oniver­sitem-panjakana.
Amin’ny ankapobeny, mifandraika amin’ny fampandrosoana maharitra hatrany ny lohahevitra amin’ny asa fikarohana. Mivoatra manaraka ny teknolojia ambony sy manaraka ny fenitra ary tsy manimba ny tontolo iainana ihany koa izany. Manoloana ireo olana ireo, efa nanao fitarainana amin’ny fitondram-panjakana ireo mpianatra.

30 isan-taona ireo mpianatra mahavita fianarana hatramin’ny farany

Maro ny ankizy misafidy ha­naraka ny lalam-piofanana elektronika eny amin’ny Oni­ver­site polytechnique isan-taona. Voafetra anefa ny toerana ha­hafahan’izy ireo manaraka iza­n­y, raha ny zava-misy. Manodi­dina ny 30 isan-taona eo ireo mpianatra mivoaka sy mahavita ny fianarana hatramin’ny fa­rany eny amin’ity Oniversi­tem-panjakana ity, raha ny tatitra voaray. Betsaka ny injeniera mi­­voaka eny an-toerana ary efa manana asa avokoa izy ireo.
Betsaka ny orinasa mandray sy mitady mpiasa amin’io sehatra io, na eto an-toerana na any ivelany. Maro ny asa azon’ireo injeniera mahavita fianarana atao, toy ny Déve­lop­pe­ment informatique, Industriel, Technique, Aviation civile… Misy ihany koa ireo manao asa tena sy mahita asa any ivelany.

Nampiseho karazam-pikarohana ny mpianatra

Nikarakara hetsika «Electronics Day» ireo mpianatra mandalina ny lalam-piofanana elektronika eny amin’ny Oniversite polytechnique Vontovorona sy ny fikambanana Peec, ny faran’ny herinandro teo. Hetsika fanao isan-taona ary efa andiany fahavalo ny tamin’ity taona ity. Fotoana nampirantina ireo asa fikarohana nataon’ny mpianatra tetsy amin’ny IKM Antsahavola. “Mbola vitsy mpahafantatra ny lalam-piofanana momba ny elektronika raha eto Madagasi­kara ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy Andrianarison Miantsa, filoha lefitry ny fikambanana Peec. Fotoana iray nampisehoana ireo kazam-pikarohana vitan’ny mpianatra mandalina io lalam-piofanana io ihany koa. “Mahavita zavatra tsara ny mpianatra manao fikarohana ao amin’ny lalam-piofanana elektronika nefa tsy misy mahita ny zava-bitan’izy ireo”, hoy kosa Randriambololonirina Kanto.
Nandritra io fotoana io, nifanakalo traikefa teo amin’ny fanantanterahana tetikasa sy fikarohana ihany koa ireo mpi­anatra. Nisy ny valandresaka entina manampy sy manoro ireo ankizy vao manomboka misehatra eo amin’io lalam-piofanana io. Tanjona ny tsy hampananosarotra ny fanatanterahana ny asa fikarohana sy ny amin’ny fidirana amin’ny tontolon’ny asa.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: