Tsara ny mikotrana sy manao fanatanjahantena. Tsy natokana ho an’ny lehilahy irery ihany fa efa maro koa ny vehivavy mikotrana. Mila ezaka sy fikirizana ary mahafoy fotoana hatrany rehefa te hanana vokatra tsara. Hanatsarana bika, hanenana ary hanangezana vatana ny tena mandrisika ny vehivavy hanao izany.
Miha maro ny vehivavy manao fanatanjahantena amin’izao fotoana izao. Antony iray tena mandrisika azy ireny ny fitiavana te ho tsara bika sy hanena vatana ho an’ireo manana vatana ngeza sy matavy, raha ny fanadihadiana natao. Misy ny misafidy ny hanao izany eny anivon’ireny toerana voatokana ireny. Misy kosa ny misafidy hanatanteraka izany ao an-trano ihany. Ankoatra ny hatsaram-bika, mba hananana vatana salama ihany koa ny antony hafa hanaovana azy io. Rehefa manomboka mahita vokatra, tohizina hatrany fa tsy azo hajanona mihitsy ny ezaka efa natao. Maro ny vokatsoa azo avy amin’ny fanaovana fanatanjahantena, toy ny fikoloam-batana, fampihenana na fanangezana vatana. Ankoatra izay, manampy ny vatana ho salama sy tsy harefo koa izany.
“Efa tia fanatanjahantena hatry ny ela aho ary tiako ny hanana vatana sy bika tsara”, hoy i Mirana, vehivavy iray nanaovana fanadihadiana. “Nijanona kely tamin’ny fanatanterahana izany aho noho ny antony ara-pahasalamana nahazo ahy, niverina indray rehefa sitrana”, hoy hatrany izy. “Nilanja 47 kilao aho teo aloha, indrindra tamin’ny mbola tsy nikotrana. Nitombo ho 55 kilao aho rehefa nahazo vatana noho ny kotrana nataoko”, hoy hatrany izy. Nisafidy ny hikotrana teny anivon’ny trano manokana mahakasika izany izy satria misy fitaovana maro samihafa sy Coach manampy any. Tsy voatery handany fotoana sy vola be ny fanaovana azy io fa mety na dia minitra sy ora vitsy fotsiny aza. Manomana adiny iray isan’andro ary mahavita mikotrana intelo isan-kerinandro izy, raha ny fitantarany. Nohamafisiny fa somary sarotra ny fanaovana izany tany am-piandohana, fa tsy maintsy miharitra sy miezaka raha tiana ho tratra ny tanjona. “Niha natavy aho fony vao avy niteraka ka antony nandrisika ahy hikotrana”, hoy kosa Haingotiana, renim-pianakaviana iray hafa. Misafidy ny hikotrana ao an-trano izy satria miasa foana ka tsy manam-potoana handehanana any an-toeram-pikotranana. Tanjony ny hanena ny vatany sy hampivoaka tsara ny bikany. Mampiditra “application” fitaizam-batana samihafa ary manatanteraka sy manaraka izany ao an-traano ihany. Anisan’ny fitaizam-batana ataony ny zumba sy ny flexion amin’ny endriny maro isan-karazany. “Mikotrana adiny iray sy sasany isan’andro aho ary mahavita mikotrana intelo ao anatin’ny herinandro”, hoy hatrany izy. Ankoatra izay, mbola mandeha tongotra 30 minitra isan’andro ihany koa mba hanalana ny tavy amin’ny vatana.
Manaraka régime
Mba hanatrarana ny tanjona tiana ho azo, ilaina ny fihinanana sy fanarahana régime rehefa mikotrana. Tsara ny fihinana ronono, yaourt, voankazo, hena, trondro, atody, ovy, vomanga ary ny legioma isan-karazany… Ho an’ny hariva, tsy tsara ny manao voky be fa lasopy na sakafo tsy be menaka no hohanina mba tsy hahavesatra ny vavony sy tsy hampangeza ny kibo.
Hazakazaka, manala ny adin-tsaina
Tsy voatery manokana fotoana lava ny fanaovana fanatanjahantena. Azon’ny rehetra atao sady mora ny mihazakazaka. Maro ny tombony eo amin’ny vatan’ny olona manao azy io. Fantatra fa manamafy ny hozatra sy ny taolana, manentana sy manatsara ny fikorian`ny ra, manatsara ny fahasalaman’ny vatana amin’ny ankapobeny ny hazakazaka. Mampitombo ny fahatokisan-tena eo amin’ilay olona manao azy, mampihena ny adin-tsaina sy ny ahiahy ihany koa io fomba iray io. Eo koa ny fisorohany amin’ny aretina mpahazo ny fo sy ny tsy fahitan-tory.
Manome vitamina sy mineraly ny sakafo rehetra. Singanina amin’ny fitondrany vitamina A ho an’ny vatan’olombelona ny dibera, manome ny vy ny hena mena, manome ny vitamine B ny vokatra avy amin’ny ronono sy voankazo ary legioma. Ahazoana vitamina C ny voasary makirana sy ny legioma maitso… Tsara ny fihinanana karazan-tsakafo amin’ny endriny sy fomba miovaova isan’andro, mba hanome hery ny vatana amin’ny tanjona tiana ho tratrarina. Azo hanaovana regime mampihena vatana haingana ny hena, raha ny fikarohana nataon’ny mpitsabo tany France ary nampitondraina ny anarana hoe: “regime dukan”. Tsy andrahoina amin’ny menaka fa atao amin’ny lafaoro na amin’ny rano ny fikarakarana ny azy.
Nanatontosa : Mino