Fanaovana sorona sy mosavy : Fikambanana miafina nahitana vatam-paty sy karana

Nanao bemidina teny amin’ny foiben’ny Loge Étoile Australe Ivandry ny fitsarana. “Nahitana sabatra, vatam-paty nisy karana, fomba fanaovana sorona mainty teny an-toerana”, hoy ny tonia mpampanoa lalàna. Olona telo naiditra am-ponja.

Manoloana ny firongatry ny halatra olona sy ny fahitana fatin’olona teto amin’ny Nosy, nandray ny andraikiny teo anivon’ny fitsarana. Nanao fanadihadiana sy nidina nanao fisavana teny amin’ny Loge Étoile Australe Ivandry ny mpitandro filaminana sy ny fampanoavana ny herinandro lasa teo. “Nahitana vatam-paty misy taolam-paty, sabatra sy vatam-paty maro hafa ary taratasy isan-karazany tao anatin’io Loge tetsy Ivandry io. Toy ny boky «rituel funèbre» manazava ny fombafomba ataon’izy ireo rehefa manao ny fombafomba fisoronana”, hoy ny tonia mpampanoa lalàna Antananarivo, Rakotoniana Narindra Nava­lona, raha nanao fanambarana tamin’ny tambajotra an-tserasera, ny sabotsy teo. Ankoatra izay, nahitana efitra misy latabatra « autel » toy ny any am-piangonana ihany koa tao anatiny, izay toerana fanaovan’izy ireo ny sorona. « Ao anatin’ny fanadihadiana no ahafahana mieritreritra fa misy sorona atao ao anatin’ireny fikambanana miafina ireny matoa misy an’io boky «rituel funèbre» izay manazava ny zavatra atao rehetra”, hoy hatrany izy. Heverina izany fa mety misy ifandraisany amin’ireny fakana sy halatra olona ireny ny fivoriana ataon’ireny fikambanana miafina ireny », hoy ihany izy na­namafy.

Olona telo naiditra am-ponja
Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana tamin’io raharaha fisavana Loge tetsy Ivandry io. Olona miisa telo, manana andraikitra ambony eto amin’ny firenena, naiditra vonjimaika am-ponja. Anisan’izany, ny Chef Cisco Tanà Renivohitra sy olona roa hafa, raha ny fanazavana nataon’ny tonia mpampanoa lalàna Antananarivo hatrany. Nalefa eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy ny lehilahy ary eny Antanimora ny vehivavy. Ve­satra hanenjehana azy ireo ny fakana an-keriny, famonoana olona, asa famosaviana (acte de sorcellerie), fitahirizana razana sy taolam-paty (profanation de sepulture), raha ny fanazavana voaray hatrany. Mbola mitohy anefa ny fanadihadiana ahafantarana ny marina mahakasika izany.

Zaza iray volana nakapoka tamin’ny vato
Hita tsy nisy aina intsony tany amin’ny fokontany Anta­netibe, kaominina sy distrikan’ i Faratsiho, omaly maraina, ny zazalahy kely iray volana. Na­taon’ny reniny tao anaty ankajony ilay zaza, tamin’ny fotoana nahitana azy. Potika tanteraka ny karan-dohany, raha ny fizahan’ny mpitsabo azy. Marary mafy eo amin’ny tratrany ny reniny. Ahina ho natao sorona ny zaza satria nisy nanakapoka tamin’ny vato ny lohany, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary tany an-toerana. Nisy olona nitondra io zaza io sy ny reniny (20 taona) ny zoma atoandro tamin’ny 1 ora. Tsy nahatsiaro tena ilay renim-pianakaviana, nandritra izany. Rehefa vita ny sorona dia nandeha nody ary tonga soa aman-tsara teo andrefan-trano ary teo vao tonga saina. Taorian’ny fandihadiana, nanao fisavana tany amin’ny lozoka fitrandrahana nohahiana ho nitondrana an’ilay renim-pianakaviana sy ny zanany. Mbola mitohy ny fikarohana sy fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana avy amin’ny zandary sy polisy. Ahafantarana raha nalaina natao sorona izy mianaka na tsia.

Mino

Partager sur: