Miadana Fabien Privat : «Manana lanja politika ny fifidianana ben’ny Tanàna eto Antananarivo»

Hanao ahoana ny fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra? Mahabe resaka ny sasany eo amin’ny tontolo politika… Maneho ny heviny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ahoana ny fiatrehana fifidianana kaominaly?
Miadana Fabien Privat (-): Raha ny Ceni, efa tokony ho vonona. Ny 6 novambra ny daty natolony voalohany, mihemotra ny 11 desambra izany: vao mainka mihavonona kokoa ry zareo. Ho an’ny olom-pirenena, anjarany ny mamantatra ny andraikitry ny ben’ny Tanàna. Tokony ho izay no mamaritra ny safidiny: iza no manolotra fandaharanasa mifanaraka amin’izany ary hahavita? Miova ny lalàna fa lasa lisitra iray ny kandidà ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Izay mahazo vato betsaka no ben’ny Tanàna, ary tsy ho mpanolotsaina avy hatrany intsony ireo mpifanandrina aminy. Tsy miova ny fahazoana ny toeran’ny mpanolotsaina fa arakaraka ny vato azo. Amin’ny petadrindrina amin’ny fampielezan-kevitra no hita ny amin’ireo kandidà mpanolotsain’ny Tanàna: iza ireo iray lisitra amin’ny kandidà ben’ny Tanàna?

* Inona ny andraikitry ny fiaramonina sivily amin’izao?
– Ny fanabeazana ny amin’ny lalàna fanatanterahana fifidianana… Inona no miova sy izay tandrovina ao anatin’izay ho an’ny olom-pirenena? Eo koa ny fandrisihana azy handray anjara hatrany amin’ny fifidianana. Matetika, ny fifidianana filohan’ny Repoblika no ambony amin’ny taham-pahavitrihana dia mihamidina izany amin’ny fifidianana depiote, ben’ny Tanàna… Tsy tokony hisy fanavahana ny raharaham-pirenena, fa mifidy rehefa manan-jo.

* Ahoana ny amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra?
– Fantantsika ny tantarany: mandalo ho ben’ny Tanànan’Antananarivo, nisy lasa filohan’ny Repoblika. Manana sata manokana koa Antananarivo Renivohitra ary manana ny tombontsony manokana koa amin’izany. Izay no mahatonga azy ho hafa ny fomba fiadiana azy. Maninona, ohatra, ny efa filohan’ny Repoblika no miady ho ben’ny Tanàna? Misy antony ao, na eo amin’ny lafiny politika na tantara. Nandalo teo izy vao lasa filohan’ny Repoblika. Nandalo teo koa ny olona nanala azy vao lasa filohan’ny Repoblika. Izany rehetra izany mametraka ny toeran’ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, lasa manana lanja politika izany.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: