Ambalamanasy- Toamasina : Tovolahikely 17 taona namaky trano

Efa notaterina teto amin’ny lahatsoratry ny gazety matetika ny trangana tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitr’ i Betsimisaraka. Lasa mirona any amin’ny fanaovana asa ratsy toy ny famakiana trano sy ny fanendahana ireo tanora sy ankizy, ankehitriny. Saika latsaky ny 17 taona avokoa ny ankamaroan’ireo olon-dratsy ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Misy aza 12 sy 13 taona. Ny marainan’ny talata 27 aogositra teo, tokony ho tamin’ny 8 ora tao amin’ny fokontany Ambala­manasy carreaux voalohany, saron’ny fokonolona namaky tranon’olona tao an-toerana i Tata Jean Fredo, tovolahikaley vao 17 taona. Vokany tsy niandry ela ny fokonolona fa raikitra ny vono sy daroka. Nisy nampandre anefa ny mpitandro filaminana ka mba voasoroka ny fitsaram-bahoaka. Tonga ara-potoana mantsy ireto farany ka tsy tapitra ny ain’ilay tovolahy izay efa niaritra mafy ny  daroka sy vono nataon’ny fokonolona.

Sajo

Partager sur: