Nanamafy ny maha kandidà an’i Madagasikara ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Nanentana sy niantso ny fanohanan’ireo firenena afrikanina, indrindra ny eo anivon’ny firenena Sadc miatrika ny fivoriana eo amin’i Japon sy Afrika (Ticad), any Tokyo, ny tenany amin’izany.
Mahafeno ny fepetra ara-teknika takina amin’ny fanontana ny antontan-taratasim-pifidianana ny orinasa Ren-Form ka nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha izany rehefa natao ny tolobidy. Tsy afaka mamokatra izany ireo trano printy eto an-toerana noho ny fe-potoana. Eo koa ny fiarovana ireo dosie saro-pady sy ho fanajana ny fenitra.
Kandidàn’ny Tim amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna eny Fenoarivo Alakamisy, Ralaimihoatra Mamy na i Mamy Ralay. Nampahafantatra sy nanolotra izany tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny antoko eny an-toerana ny depiote, Raharimanarivo Voahangy, ny fiandohan’ny herinandro teo.
Mampiofana sy manamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpitantana eny anivon’ny kaominina ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana (MFFT). Tanterahina any Menabe izany, hatramin’ny 5 septambra izao, ka miompana amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny fitaovam-panjakana ny fiofanana. Iaraha-miasa amin’ny tetikasa Rindra sy ny MFFT.