Petite vitesse: novahan’ny filoha ny olan’ireo mpivarotra

Nifampiresaka ny filoha Rajoelina Andry sy ny Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina manoloana ny fitarainan’ireo mpivarotra etsy amin’ny Petite Vitesse. Nandefa iraka manokana teny an-toerana ny filoham-pirenena, omaly, nihaona tamin’izy ireo. Tsy vitan’izany fa mbola niditra an-telefaonina mivantana tamin’ireo mpivarotra koa izy ary nitafa tamin’ ireo mpivarotra sy namaha ny olana. Nambaran’ny filoha tamin’izany fa omena alalana malalaka hivarotra ireo mpivarotra, ho fitsinjovana azy ireo hiatrika ny fety. “Tsy maintsy hajaina kosa anefa ny fepetra amin’ny tsy maintsy hanadiovana ny toerana avy hivarotana rehefa mirava ny tsena“, hoy ny filoha. Fanapaha-kevitra efa nifampiresahany tamin’ny Ben’ny Tanàna izany. Naneho fahavononana hanaraka ny fandaminana ireo mpivarotra ary hafaliana ho azy ireo ny fanapaha-kevitra noraisin’ny filoham-pirenena sy ny Ben’ny Tanàna. “Zava-dehibe ho anay ny fihetsika nataon’ny filoha Rajoelina Andry, manome lanja ny fifampiresahana sy ny fihainoana“, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: