Iangaviana ny tomponandraikitra, indrindra ny lehiben’ny governemanta, mba hametraka izay tena andraikitra sahanin’ny sekreteram-panjakana sy izay andraikitra sahanin’ny minisitra.
“Lasa miteraka fifanitsahana andraikitra izay eo anivon’ny fitantanana minisitera iray”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, momba ny fisian’ny minisitra sy sekreteram-panjakana misahana raharaha iray eo anivon’ny governemanta amin’izao toy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny sekretariam-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ohatra. Noho izany, iangaviany ny tomponandraikitra, indrindra ny lehiben’ny governemanta, mba hametraka izay tena andraikitra sahanin’ny sekretariam-panjakana sy izay andraikitra sahanin’ny minisitera izay sady manana sekreteram-panjakana no manana minisitra.
Azo eritreretina ny tsy fahombiazan’ny governemanta amin’ny fametrahana sekretariam-panjakana sy minisitera, araka ny fijeriny. Na eritreretina hoe olona roa aza no misahana ny asa tokony hosahanin’ny olona iray, mety ho diso hevitra ny fitondrana amin’ny fananganana sekretariam-panjakana. Raha eny ambony kianja, ohatra, no miara-miakatra ny tompon-toerana sy ny mpisolo toerana, mety hifanjevo ny eny ambony kianja. Efa tratran’ny fampihenana ny tetibola iasany ny minisitera tsirairay. Izay no mahatonga ny “Crédit d’investissement destiné à l’appui au développement” (Ciad) notapahina. Iaraha-mahalala amin’izao fa sahirana amin’ny vola ny firenena. “Mila hazavain’ny Praiminisitra izany, fa izy ihany no nilaza fa sahirana amin’ny vola ny fitondram-panjakana. Ahoana no hanekeny an’ireo toerana mitady tetibola betsaka noho ny fisian’ny sekretariam-panjakana ankoatra ny minisitera izay misahana ny asa tanteraka?”, hoy izy.
R. Nd.