Filohan’ny Antenimierandoholona : “Fakan-tahaka ny La 13 tao amin’ny Acmil”

Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tetsy Anosy, ny Jly Ahmed, ny herinandro teo. Teratany Nigeria­nina izy io. Manamboninahitra nivoaka tamin’ny andiany faha-13 “La 13” tao amin’ny Akademia miaramila (Acmil) Antsirabe, niara-nihira tamin’ny filohan’ny Antenimieran­do­holona. “Ohatra tsara azon’ireo manamboninahitra zandry, mbola am-perinasa alaina tahaka ny fihavanana tsy ravan’ny taona misy eo amin’ ny La 13 Antsirabe”, hoy izy. Nanteriny fa tonga eto ny Jly Ahmed noho ny firaiketam-pony amin’i Madagasikara sy ho tamberin’andraikitra amin’ny Acmil ary ho fanehoany ny fifankatiavany amin’ireo mpiray andiany aminy. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-40 taon’ny nivoahan’ny andiany mivantana “La 13” izany.
Tsy anisan’ireo nanongam-panjakana

Niarahaba sy nirary soa ny Jly Ravalomanana ny vahiny tamin’ny nahalany azy ho filohan’ny Antenimierandoho­lona. Rehareha ho an’ny andiany “La 13” izany, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa efa minisitry ny Fitaterana sy ny asa tanana tany Niger ny Jly Ahmad ary efa lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika koa. Anisan’ ireo manamboninahitra afrikanina nandala hatrany ny tany tan-dalàna sy nanaja ny fitsipi-pifehezan’ny miaramila izy. Tsy mba tafiditra amin’ny fikotrehana fanonganam-panjakana.

Synèse R.

Partager sur: