Depiote Rajerson Antoine – FAKANA AN-KERINY : tsy fisian’ny fanabeazana no mahatonga izany

“Misy zavatra be dia be tokony hojerena ny tontolo ambanivohitra. Tsy misy na fanabeazana, na lalam-barotra, na fihariana amin’ny fambolena sy fiompiana… “, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny tsy miankina Fivoi, Randriamampianina Rajerison Antoine, momba ny trangana fakana an-keriny tany Anjozorobe. Vokatr’izay, misy zaza tsy mianatra sady tsy mahita lalana hihariana nefa mitambatambatra. Lasa mamorona asa ratsy izy ireo. Mangalatra omby izy tamin’ny voalohany dia nojerena fotsiny; ankehitriny, lasa maka olona fa izay no vola malaky. Misy tambajotran-jiolahy nandritra ny fotoana maro no efa tsy nanao afa-tsy halatra.
Raha hijery vahaolana, tsy maintsy jerena ny fiharian’ny tantsaha:ahoana no hamerenana ny lalam-barotra? Mamboly ny tantsaha nefa tsy hita ny hamoahana ny vokatra, ka kamo ary tsy mamboly intsony. Vahaolana koa ny fanabeazana, mila hapetraka tsara. Tsy maninona: terena tsy maintsy atao ny fanabeazana any ambanivohitra, fa mba hiantohan’ny fanjakana izay mifanaraka amin’izay. Ny fanabeazana tsy misy no mahatonga ny tsy fandriampahalemana amin’ny fakana an-keriny. Malalaka ny fotoanan’ny tanora mandritra ny fahatanorany dia lasa mamorona zavatra hafa izy, rehefa tsy misy atao. Raha tena handamina an’izay, tsy amin’ny alalan’ny hery fa amin’ny fiarahana amin’ireo tantsaha. Izy ireo no mahalala ny ratsy sy ny tsara eo an-tanàna. Rehefa tafaraka tsara amin’ny olona eny ifotony, tomponandraikitra, misy ny tsikombakomba dia miavaka ho azy ny ratsy ao anatin’izay.

R. Nd.

Partager sur: